- Publicité -
samedi, juin 21, 2025
AccueilFaits-DiversFanolanana zazalahy sivy taona : Voaheloka dimy taona am-ponja asa an-terivozona  Ratinarimanana Justin

Fanolanana zazalahy sivy taona : Voaheloka dimy taona am-ponja asa an-terivozona  Ratinarimanana Justin

Amin’izao andiany faharoa amin’ny fitsarana ady heloka be vava eo anivon’ny fitsarana ambony eto Toamasina amin’ity taona ity izao, dia saika ny vono olona sy ny fanolanana ary ny fiarahan’ireo heloka ireo no tena mameno ireo antontan-taratasin’ady an-jatony miakatra fitsarana ady heloka be vava andiany faharoa ity. Ao anatin’izay raharaha fanolanana izay indrindra, dia isan’ny niandrasan’ilay fianakavian’ilay zazalahy 09 taona tamin’ny fotoana nanolana azy ny raharaha, izay nahavoampanga an-dRatinarimanana Justin, 57 taona. Raha ny zava-nisy dia niseho ny 27 jolay 2017 tao Sahavola Fenerivo atsinanana ity tranga fanolanana zazalahy 09 taona ity. Raha ny fiarovan-tenan’i Justin, dia noho ny vadiny lasa tany ambanivolo ka niditra tao an-tranony ity zazalahy ity ary notambazany vola ka nanaovany ny filan-dratsiny, satria heveriny fa tsy maha-voasazy ny fiarahana tamin’ity zazalahy tsy ampy taona ity, fa heveriny fa ny zazavavy ihany no tsy fanao izany fa mahavoasazy. Tsy naharitra ela ny fitsarana ny raharaha noho i Justin niaiky ny heloka vitany, ka nilatsaka avy hatrany ny sazy dimy taona am-ponja, sazy mihatra nomen’ny mpitsara raha nitaky ny fampiharana ny lalana velona ny fampanoavana. Ankoatra izay, mikasika  fanolanana ihany ; izay mbola niampy fanafihana mitam-piadiana tokantranon’olona, dia sazy 10 taona asa an-terivozona am-ponja no azon-dRamananjila Théogène, raha tsy niatrika fitsarana kosa ireo namany dimy lahy, raha nahazo fahafahana vonjimaika talohan’ny fitsarana. Fanafihana sy fanolanana nitranga ny 22 janoary 2016 ity raharaha mikasika an’i Théogène sy ny namany ity ary niseho tao Tanambao V Toamasina renivohitra.

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici