- Publicité SW45 -
lundi, juin 17, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversFanondranana « drogue » : Tadiavin’ny maorisiana hampodiana any aminy ny olony

Fanondranana « drogue » : Tadiavin’ny maorisiana hampodiana any aminy ny olony

Omaly no niakatra teny amin’ny fampanoavana ireo olona sivy ; izay voarohirohy ho tompon’antoka sy mpiray tsikombakomba tamin’ny fikasana hanondrana ireo zava-mahadomelina mahery vaika. Niakatra tao amin’ny mpitsara mpanao famotorana ny raharaha ary ny tena nahatalanjona, dia ny nisian’ny manampahefana maorisiana avy amin’ny Mauritius Revenue Authority (MRA) izay nangataka ny hampodiana ny mpiray tanindrazana aminy any Maorisy, mba hitsarana azy ireo any sy hanatontosany ny saziny any an-toerana ihany. Toe-javatra izay tsy neken’ny fitsarana malagasy, raha araka ny vaovao azo teo amin’io sehatra io. Mipetraka avy hatrany ny fanontaniana ny amin’ny fiheveran’ity Nosy rahavavy ity ny firenena malagasy. Tsiahivina, fa betsaka ny Malagasy izay sarona nitondra rongony tany an-toerana ary mamita sazy any hatram’izao. Marina, fa efa nisy ny fampodiana malagasy avy any an-toerana, noho ny fifanarahana teo amin’ny firenena roa tonta, tamin’ny herintaona, kanefa kosa tsy tokony hatao làlan-dririnina izany. Indrindra koa zava-mahadomelina izay mitentina 50 miliara ariary ny teti-bidin’ireo entana izay sarona. Etsy an-danin’izany, rehefa nohamarinina ny momba ny MRA, dia hita fa sampana mpitaky hetra any an-toerana izany. Misintona ny saina avy hatrany ny zava-misy ny amin’ny hoe mbola tadiavin’ny nosy voateny hiditra ao anaty kitapom-bolany ve izany ny lamandy ; izay tsy maintsy haloan’ireo maorisiana telo izay tompon’antoka tamin’ny fanondranana ? Mila mailo tanteraka ny fanjakana malagasy amin’ity raharaha ity, satria tadiavin’ny sasany hatao « làlana » fotsiny i Madagasikara. Ny avy eo anivon’ny zandarimaria dia nilaza, fa tsy mahafantatra na inona na inona momba ity raharaha ity intsony, satria ny fadin-tseranana no misahana ny dosie rehetra. Na ny fandorana  ny entana aza, izay notontosaina omaly raha araka ny voalaza, dia nilaza ny zandary fa tsy natrehan’izy ireo ary tsy fantany akory aza. Mbola misy raharaha angatahin’izy ireo fanadihadiana, dia ny mahakasika ny fisian’ny «  kalachnikov » sy ny olona nitazona izany ka nanaraka ny fiara Sprinter izay nitatitra ny zava-mahadomelina. Raha araka ny hevitry ny mpitsara izay nanontaniana, dia misaraka roa mazava tsara ny asan’ny fadin-tseranana sy ny zandary amin’ity raharaha ity. Raha ny fijerin’izy ireo, dia rehefa vita soa aman-tsara ny an’itsy voalohany dia afaka manokatra ny fanadihadiana indray ny faharoa. Mbola tantara mitohy arak’izany ity raharaha ity.

D.R

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité Google Ads.-
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici