Tsy haharitra herinandro avy dia hifarana ny taom-panondranana lodsia malagasy amin’ity taona ity amin’ny alalan’ny sambo “conventionnel” miisa roa. Raha ny zava-misy dia hanainga anio ny sambo voalohany miaraka amin’ny lodsia Malagasy eo amin’ny 8.500 taonina eo; ny sabotsy izao kosa no hanainga ny sambo faharoa izay hitondra lodsia milanja 8.500 taonina ihany koa ankoatra ireo ao anaty kaontenera mangatsiaka entiny mandritra izany. Eo amin’ny 15 andro eo no hanaovan’ity sambo voalohany ny zotra Toamasina sy Marseille; ka tafiditra tsara alohan’ny fetin’ny krismasy sy vanim-potoana mangatsiana any eropa ny fahatongavan’ny lodsia Malagasy. Nandritra ny fotoam-panokafana ny taom-pihotazana sy taom-panondranana lodsia, izay ny minisitry ny varotra sy ny indostria, Rtoa Lantosoa Rakotomalala, mihintsy no nanokatra izany ofisiany ny alahady hariva teo. Taorian’izay dia nitsidika ireo orinasa mpanondrana lodsia vitsivitsy ny tenany izay nahatsapana fa efa saika moderina avokoa ny fitaovana ampiasan’ireo mpanondrana araka ny fangatahan’ny vondrona eropeana sy ny fifanarahana eo anivon’ny vondron’ny mpanondrana lodsia na ny GEL. Ankoatra izany, dia tsy mbola fantatra ny fifanarahana ara-barotra eo amin’ny GEL sy ny tsena Eropeana ho an’ny lodsia malagasy, fa raha ny taona lasa dia manodidina ny 2,00 euros sy 3,00 euros teo ny kilao. Eto an-toerana anefa dia tsy niakatra ny vidiny tamin’ity taona ity, fa mbola 1.000 ariary ihany ny iray kilao tamin’ireo mpanondrana.
Malala Didier