Tsy eto an-dRenivohitra ihany ireo tambajotra mpanondrana olona an-tsokosoko, fa mihanaka hatrany amin’ny faritra. Vehivavy telo no tra-tehaky ny pôlisy, ny herinandro lasa teo, tetsy Tanjombato sy tany Toamasina.
Mbola misoko miadana foana na dia tsy re tsaika aza ity fandefasana olona an-tsokosoko mankany ivelany ity, indrindra moa fa any amin’ireo tany arabo. Miezaka hatrany mamongotra izany sy misambotra ireo olona misehatra amin’ity asa ratsy ity ireo pôlisy avy ao amin’ny sampana « Fanadihadiana manokana » etsy Anosy. Tamin’ny fikaroham-baovao no nahafantaran’izy ireo, fa misy olona mampiantrano olona saika haondrana any Arabia Saodita, tetsy Tanjombato. « Avy hatrany dia nidina ifotony ny mpanao famotorana ary nahatratra vehivavy telo tao amin’izany trano izany ka ny roa amin’izy ireo no saika halefa an-tsokosoko any ivelany », hoy ny fampitam-baovao avy tamin’ireo pôlisim-pirenena.
Marihana, fa tambajotra iray goavam-be mihitsy ireto olona ireto. Misy amin’izy ireo mitady fotsiny ireo olona halefa any, misy ny mpampiatrano azy, ao ireo mpikarakara taratasy, izay mazàna dia saika sandoka avokoa, ary farany ireo mpanondrana ara-bakiteny. Mitentina eo amin’ny telo tapitrisa ariary eo ho eo no takian’izy ireo amin’ireo ankizy te handeha. Te handeha, satria voatampina amin’ny fampanantenana tsy misy ireto olona haondrana ireto. Ary mazàna, vokatr’izay dia miandrandra fiovam-piainana ireo olona ireo kanefa mety ho tsy ho izay akory no hiseho any, fa ireny tranga maro voatatitra amin’ny gazety sy haino aman-jery ireny. Efa noraràn’ny lalàna ity fandefasana olona any ivelany ity kanefa mbola azo lazaina fa maro ireo minia manao an-tsokosoko ilay asa ratsy, ary dia izao tra-tehaka izao. « Mbola misy mpiray tsikombakomba hafa anatin’ity raharaha ity mbolakarohina, fa ireto tratra ireto kosa dia efa natolotra ny fitsarana androany » ny fampitam-baovaon’ny pôlisy hatrany.
m.L