Noho ny fanomezam-baovao marim-pototra ny mpitandro filaminana avy tamin’ olona tsara sitra-po nanamora ny fisamborana ireo jiolahy rain-dahiny sy ikoizana amin’ny halatra omby sy vaky trano arahina vono olona ary halatra taolam-paty, dia nody ventiny ny ezaka natao, ka ravan’ny Polisy avy ao amin’ny « Brigade Régionale de sécurité Publique » Atsimo Atsinanana ny jiolahy dimy nitam-basy ; izay nokarohina nandritra ny fotoana ela. Raha ny fanazavana azo, tsy latsaky ny folo ny olona efa matin’ireto jiolahy tanora mitam-piadiana nandravarava ireto, ka anisan’izany ny famonoana ny mpiasan’ny « Madagascar National Parks » iray tao Manombo. Ireto jiolahy ireto ihany koa, hoy ny Commissaire divisionaire Andrianony Philibert, no nangalatra ny lakolosin-dry mompera tao Maropagnahy, any amin’ny Kaominina Manambotra Atsimo, Distrikan’i Farafangana. Tamin’ny famotorana natao azy ireo, dia niaiky ny helokabevava vitany ireo jiolahy ireo, hoy ity manamboninahitra jeneraly ity, ary ny zoma teo no niakatra Fitsarana izy dimy lahy voarohirohy, ka notanana am-ponja vonjimaika avokoa.
Eric Manitrisa