- Publicité SW45 -
vendredi, avril 19, 2024
AccueilFaits-DiversFarafangana : « Miaramila misotro ronono » tra-tehaka namono mpampianatra, niharan’ny fitsaram-bahoaka

Farafangana : « Miaramila misotro ronono » tra-tehaka namono mpampianatra, niharan’ny fitsaram-bahoaka

Dahalo raindahiny iray, tompon’antoka tamin’ny famonoana tamin’ny fomba feno habibiana mpampianatra iray tao amin’ny « Ceg de reference » Farafangana, ny narainan’ny 13 febroary lasa teo, no tra-tehaky ny Fokonolona, tao Anosy Tsararafa, afak’omaly, raha niafina tao ambany tetezana. Raha vantany vao voasambotra ity jiolahy ikoizana, izay miaramila misotro ronona, hoy ny loharanom-baovao, dia naboridana ary niharan’ny hatezeram-bahoaka avy hatrany, ka saika nodoran’olona velona rehefa voadaroka, saingy nandrara mafy izany fomba mamohehitra izany ny havan’ny maty. Taorian’ny fanolorana an’ity mpamono olona tany amin’ny mpitandro filaminana, raikitra avy hatrany ny fanadihadiana lalina azy, raha mbola karohina fatratra kosa amin’izao ireo namany. Araka ny loharanom-baovao voaray hatrany, dia tokony mbola higadra any am-ponja noho ny asan-dahalo namoizana ain’ olona ity rangahy ity, nefa tsy fantatra ny antony nahatafavoaka azy tao, dia izao marenina ny asa ratsiny izao indray. Mangataka amin’ny manam-pahefana ny fianakavian’ny maty, mba hampiharina amin’ity dahalo tra-tehaka ity ny sazy sahaza azy, satria mandrahona mafy ity mpamono olona, fa raha vao tafavoaka eo hono izy, dia hamaly faty.

Eric Manitrisa

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici