- Publicité SW45 -
dimanche, avril 28, 2024
AccueilFaits-DiversFarafangana : Tezitra ny olona noho ny delestazy, may ny biraon’ny Jirama

Farafangana : Tezitra ny olona noho ny delestazy, may ny biraon’ny Jirama

Kila tanteraka ny birao, nisy ny naratra sy voasambotra (sary nindramina)
Kila tanteraka ny birao, nisy ny naratra sy voasambotra (sary nindramina)

Kila forehitra ny biraon’ny Jirama ao Farafangaana. Ny asabotsy teo, vao nanomboka maizimaizina ny andro, dia nifanentana ny olona ny hanatona ny biraon’ny Jirama. Raikitra ny tsioka kiririoka ary vetivety foana dia hipoka olona ny arabe izay mizotra mankany amin’ilay toerana. Haingana ihany koa dia tonga teny am-potofotson’ny mpitandro ny filaminana ny zava-nitranga ary nidina an-tsehatra izy ireo. Nisy ny fikasana hanakana ny olona saingy tsy tanteraka intsony izany satria efa maro loatra izy ireo no indray nanao diabe. Natao ny fanaparitahana ary tsy mbola nahafahana nanaparitaka ny olona hatrany izany. Nitohy tamin’ny tifi-danitra indray saingy mbola tsy nampihemotra ny olona. Entina ilazàna izany fa romotra tanteraka ny vahoakan’i Farafangana ary noraisin’izy ireo andraikitra ny fankanesana teny amin’ny biraon’ny Jirama. Tao anatin’izay no nisy mpitandro ny filaminana roa naratra. Zandary ny iray ary raha ny vaovao azo aza dia ny lehiben’ny borigady ao an-toerana io isan’ny naratra io. Telo andro maninjitra no tapaka ny jiro tao an-toerana kanefa tsy nisy fanazavana mazava. Izay no nitarika ny olona nidina an-dalambe. Tsy nisy resaka firy intsony fa vao nigadona teo amin’ny toerana misy ny biraon’ny Jirama dia raiktira amin’izay ny fandoràna azy. May ny trano ary torak’izany ihany koa ny atontan-taratasy rehetra teo anivony. Raha ny vaovao avy any an-toerana hatrany dia nisy ny olona dimy izay nosamborina tao anatin’ity raharaha ity. Nizara roa avy hatrany ny fihevitry ny mpanara-baovao mahakasika ny zava-nitranga. Tao no nilaza fa rariny sy hitsiny ny fandraisan’ny vahoaka andraikitra satria tafahoatra loatra ny fampijaliana azy ireo avy amin’ny alalan’ny delestazy lavareny. Nisy koa anefa ny tsy niombon-kevitra tamin’izany ary nanazava fa tsy mizotra mankany amin’ny vahaolana velively ny fanimbàna fananana. Tsy mbola niverina tanteraka ny filaminana omaly na dia tsy nisy olona nandehandeha aza teny an-dàlana. Ny antony dia samy mbola mailomailo sao iharan’ny fisamborana. Ny mpivarotra ihany koa dia manahy sao misy ny manao fanararaotana mandroba.

D.R

- Publicité Google Ads -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

2 Commentaires

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici