
Nahery vaika ny fifandonana tamin’ny dahalo, omaly maraina tokony ho tamin’ny enina ora tany ho any tao amin’ny fokontany Ankarimbelo, kaominina Iabohazo, distrikan’i Farafangana. Zandary iray, mpiana-draharaha avy ao amin’ny CSAO Ranotsara Atsimo, izay isan’ireo niatrika ireo olon-dratsy no voan’ny balan’ireto farany. Naratra mafy.
Araka ny loharanom-baovao avy eo anivon’ny zandary, dia valolahy ireto mpitandro filaminana no handeha hisambotra olon-dratsy tao amin’io toerana voalaza etsy ambony io. Tsy nanaiky mora ny fisamborana anefa ireto dahalo fa avy hatrany dia namaly bontana sy nitifitra ireto zandary. Namaivay ny fifandonana, hoy ny vaovao, ka tamin’izany indrindra no nahavoa ny iray tamin’ireo mpisambotra.
Tamin’io fotoana io ihany dia efa noraisina ny fepetra rehetra, nentina niarovana ny ainy sy nitondrana azy faran’izay haingana namonjy tobim-pahasalamana. Efa noraisana an-tanana vonjy maika tao amin’ny CSB2 Etrotroka ity mpitandro filaminana naratra mafy ity ary saika noheverina fa alefa any Farafangana. Marihina anefa fa na dia teo amin’ny tandrifin’ny tanany aza ny nilentehan’ny bala dia nisy tamin’ireo taova tao anatiny ihany no voakasika, raha ny vaovao hatrany. Na izany aza, tsy misy ahatahorana ny ainy. Antony iray ihany anefa izay tsy maintsy hitondrana azy tamin’ny toeram-pitsaboana ampy fitaovana sy voaomana amin’izany, izay tsy misy afa-tsy aty an-drenivohitra. Nalaina tamin’ny angidim-by avy hatrany tany an-toerana moa ity mpitandro filaminana naratra ity ary navantana avy hatrany taty an-drenivohitra omaly. Efa eo an-dalam-pitsaboana azy moa ireo tompon’andraikitry ny fahasalamana.
Ny any an-toerana kosa, taorian’ity tranga ity dia notohizana avy hatrany ny hetsika efa natao dia ny fisamborana ireo olon-dratsy. Saingy tafaporitsaka moa ireto farany ka efa mandeha ny fikarohana sy savahaon’ireo mpitandro filaminana any an-toerana.
m.L