- Publicité SW45 -
mercredi, mai 15, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversFaran’ny taona sy taom-baovao : Olona 29 voasambotry ny pôlisy

Faran’ny taona sy taom-baovao : Olona 29 voasambotry ny pôlisy

Nanao ny ainy tsy ho zavatra ny teo anivon’ny pôlisim-pirenena nandritry iny fetin’ny faran’ny taona sy fitsenana ny taom-baovao iny raha ny teto an-drenivohitra manokana. Izany dia mba ahafahan’ireo mponina hatrany nanao fety am-pilaminana. Fantatra ary fa olona 29 no voasambotr’izy ireo nandritry ny alin’ny faran’ny taona sy ny andron’ny taom-baovao teo. Folo tamin’ireo no voasambotry ny pôlisin’ny kaomisaria Foibe tetsy Tsaralalana. Araka ny tatitra azo dia enina tamin’izany no olon-dratsy voarohirohy tamina resaka fanendahana. Ny roa kosa dia resaka halatra môtô ary ny telo dia noho ny adiady teny an-dalam-be. Nahatratra 13 kosa ireo fitarainana mahakasika fandikan-dalàna voarain’izy ireo, raha teny Tsaralalàna hatrany. Ny 11 amin’izany no resaka fanendahana sy sinto-mahery. Nisy ihany koa resaka vono sy ratra niniana natao. Ambonin’izay dia voalaza ihany koa fa nisy fahitàna razana iray ary trangana hain-trano iray.

Raha ny teo anivon’ireo kaomisaria valo teto an-drenivohitra kosa indray dia mitontaly 19 ireo olona voasambotr’ireo pôlisy. Resaka fanendahana ny folo amin’izany ary halatra tsotra ny iray. Mpamaky trano iray ihany koa no voasambotra ary mpangalatra môtô efatra no nentina natao famotorana. Nisy ihany koa ireo mpanakorontana teny an-dalambe noho ny hamamoana diso tafahoatra izay nosamborina. Niisa efatra izy ireo. Etsy andanin’izay, trangana lozam-pifamoivoizana 12 no voamarika tao anatin’iny fety roa sosona iny, raha ny tatitra azo hatrany. Sivy tamin’ireo no loza naharatrana olona ary ny iray kosa no namoizana ain’olona. Ny sisa ambiny dia saika loza nisiana fahasimbana ara-materialy fotsiny. Tao anatin’ireo tranga lozam-pifamoivoizana ireo dia voalaza fa nisy roa no vokatry ny fitondrana fiara tao anatin’ny fahamamoana ary izao nitera-doza izao.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici