- Publicité SW45 -
dimanche, novembre 10, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversFaran’ny taona sy taom-baovao teto an-drenivohitra : 37 ireo voasambotra, sivy ny...

Faran’ny taona sy taom-baovao teto an-drenivohitra : 37 ireo voasambotra, sivy ny tranga lozam-pifamoivoizana

Azo antoka! Maro tamin’ireo faritra teto an-drenivohitra  no niaina ny « reveillon » sy nitsena ny taona vaovao tao anaty haizina, saingy na izany aza, azo lazaina fa nilamina, dia tsy nitebiteby loatra ny rehetra, noho ny fisian’ireo mpitandro filaminana marobe nanao fisafoana tetsy sy teroa.

Nandritra ireo roa andro fararanom-pety dia fantatra fa pôlisy manodidina ny 1985 isa no naparitaka teto an-drenivohitra, ho amin’ny fitandroana ny fandriampahalemana fotsiny sy mba ahafahan’ny olona manao fety am-pilaminana. Ary azo lazaina fa tratra ny tanjona. Tao anatin’izany anefa, mbola nisy ihany ireo olon-dratsy sy tontakely isan-karazany, efa zatra ny tanana mitsotra saingy tafaroboka tao anaty haraton’ireo mpanao fisafoana. Raha ny teto an-drenivohitra manokana, hoy hatrany ny filazam-baovao avy amin’ny pôlisim-pirenena dia nahatratra hatrany amin’ny 18 tany ho any ny trangana halatra nisy : tao anatin’izany ny vakitrano, ny halatra môtô ary ny halatra tsotra. Olona manodidina ny 37 isa no voasambotra vokatr’izay. Nanampy isa ireo mpangalatra sy mpanendaka voasambotra tokoa mantsy dia mbola nisy ireo olona nampiahiahy voatery nosavaina sy nanaovana fanadihadiana. Nopaingorina ihany koa ireo olona hita fa mamo eny an-dalambe.

Fa ankoatra ny resaka asa ratsy dia nisy nandritra ny fetin’ny faran’ny taona sy ny taom-baovao iny ihany koa ny lozam-pifamoivoizana, izay voaray teo anivon’ny pôlisy. Tranga niisa sivy no teto an-drenivohitra, hoy hatrany ny vaovao ka ny telo tamin’ireo no indrisy fa namoizana ain’olona.

m.L

- Publicité Google Ads -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici