- Publicité -
vendredi, septembre 25, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversFaratsiho : Lehilahy voalaza fa nangala-jaza, nodoran’ny fokonolona velona

Faratsiho : Lehilahy voalaza fa nangala-jaza, nodoran’ny fokonolona velona

Tondro molotra matetika dia mety ahitàn-doza amin’izao fotoana mampisavoritaka ny sain’ny rehetra izao. Tany amin’iny faritra Faratsiho iny, lehilahy iray marary saina, araka ny filazan’ny fianakaviany no voatondro ho mpangala-jaza. Nianjera tany aminy ny hatezeram-bahoaka ary tsy namelan’ny fokonolona raha tsy tapitra ny ainy.

Afak’omaly, nitrangana fitsaram-bahoaka tao an-tsenan’i Faratsiho. Lehilahy iray manodidina ny 30 taona teo ho eo no namoy ny ainy vokatry ny daroka sy ny vono nataon’ny fokonolona. Tsy vitan’izay fa mbola nodoran’ny olona velona ihany koa ity farany ary tsy namelan’izy ireo raha tsy izao nitondra tamin’ny fahafatesany izao. Raha ny angom-baovao azo dia toa hoe voarohirohy saika hangalatra zazalahy kely 6 taona ity lehilahy ity teo amin’ny tsenan’i Dango. Nentin-katezerana avy hatrany ireo fokonolona ka nisambotra azy ary io dia io niafara tamin’ny tranga mampalaelo io. Efa namoy ny ainy ity lehilahy ity vao nisy olona tonga avy any nilaza fa lehilahy tsy salama saina izy io fa tsy mpangala-jaza velively.

Nidina tany an-toerana avy hatrany moa taorian’io ny tompon’andraikitram-panjakana isan-tokony sy ny mpitandro filaminana ary nampatsiahy fa tsy azo ekena ny fitsaram-bahoaka. Nanentana ny fokonolona izy ireo mba hanolotra ny olona ahiahiana amin’ny mpitandro filaminana ary hatoky ny fitsaràna, hisorohana ny tranga tahak’izao. Efa eny am-pelan-tanan’ny mpitandro filaminana moa ny raharaha ary efa mandeha ny fanadihadiana mahakasika ity tranga ity.

m.L

Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici