Tokony ho tamin’ny enina ora hariva no nigadona ny dimy lahy misaron-tava ary nanafika tokantrano iray tao amin’ny tanàna antsoina hoe Ramainandro, eo anivon’ny distrikan’i Faratsiho. « Nokapain’izy ireo tamin’ny antsy ny omby roa mifatotra tao am-bala. Nopotehiny koa ny kodiaran-tsarety. Nosimbaina ny varavaran’ny trano fonenana. Niditra an-keriny tao an-trano amin’izay ary nitady ny renim-pianakaviana izay tompon-trano izy ireo saingy efa tafavoaka ny trano haingana sady niantso vonjy. Vetivety dia vory ny fokonolona. Raikitra ny fiifanjevoana teo. Tsy nanaiky mora foana ny olona hany ka voasambotra ny iray tamin’ireo nisaron-tava ary niharan’ny fitsaram-bahoaka : matin’ny daroky ny fokonolona » raha ny tatitry ny zandary. Rehefa tonga ireo mpitandro ny filaminana toarian’ny fampandrenesana azy ireo dia niroso tamin’ny fitsirihina ifotony. Rehefa nesorina ny saron-tavan’ilay jiolahy namoy ny ainy dia fantatra fa olona mpiray tanàna teo ihany ary mifankahafantatra amin’ilay tokantrano notafihana. « Efa nanana olana tamin’ity renim-pianakaviana izy satria efa nisy fanimbàna fanànana nataony tany aloha. Rehefa tsy nisy fifandaminana dia voatery nitory teny amin’ny zandary ilay ramatoa simba fananana ary tokony hiakatra fitsaràna ny volana Desambra izao ny raharaha kanjo izao namarana ny androny tamin’ny asa ratsy izao ilay lehilahy » raha ny fanampim-panazavàna avy amin’ny zandary. Mazava izany fa nokasaina hofofoina mialoha ny fitsaràna ny ain’ilay vehivavy. Etsy ankilan’izany, mitohy ny fikarohana ireo olona efatra nisaron-tava izay tafatsoaka.
D.R