- Publicité SW45 -
dimanche, avril 28, 2024
AccueilFaits-DiversFaratsiho Zaza roa nararin’ny pesta

Faratsiho Zaza roa nararin’ny pesta

Fantatra izao, fa efa tafiditra eto amin’ny faritra Vakinankarara koa ny valan’aretina Pesta. Raha ny voalaza  hatrizay, dia tsy mbola nahitana ity aretina ity teto Vakinankaratra hatramin’izay nampirongatra ny aretina izay. Tao amin’ny distrika Faratsiho no fantatra fa nahitana zaza roa nararin’ny pesta ny herinandro lasa teo. Raha ny angom-baovao hatrany dia pesta “bubonique” no nahazo ireo zaza mianadahy.  Vavy kely 6 taona ny iray ary zazalahy 9 taona ny iray. Avy any amin’ny kaominina Valabetokana sy Ambohiborina ny fiavian’izy mianadahy ireo. Soa fa tonga aloha tao amin’ny toeram-pitsaboana ireo zaza ireo ka  afaka nanaraka fitsaboana tsara. Ny faha-11 oktobra lasa teo no fantatra fa naiditra hopitaly ny iray raha toa ka ny 13 oktobra kosa ny iray hafa. Tsy misy atahorana intsony ny ain’ireo zaza amin’izao sy ny fianakaviany niara-nitakosona taminy fa efa nahazo ny fitsaboana sahaza azy daholo. Marihina moa fa, distrika ahitana valan’aretina pesta hatrany ao Faratsiho isan-taona, saingy voafehy hatrany izany.

Andry N. 

- Publicité Google Ads -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici