Nisehoana vono olona mahatsiravina tao Faratsiho, zaza lahy kely iray no maty, nahitana dian’antsy ny tarehiny ary tapaka nodidina ny tendany.
Zava-doza indray ity niseho tao Faratsiho ity, zaza vao valo taona monja no maty nisy namono tamin’ny fomba feno habibiana tao amin’ny distrikan’i Faratsiho tao . Ny sabotsy 12 Novambra raha sendra nilalao tao amin’ny sahana mompera ankizy maromaro, naka voangory no avy hatrany dia nisy olona roa nanatona teo amina bandy kely roa lahy. Nilaza ireo olona roa fa mahafantatra tsara ny ray aman-dreniny. Ilay bandy kely iray no avy hatrany dia nitsoaka nandositra, fa ny iray kosa no azony tamin’ny tambitamby teo. Tsy nody ilay zaza ary nanomboka teo ny tsy nahitana azy intsony. Ny ampitson’io ihany rangahy teo am-piandrasana omby no tao Moropata, fokontany Amparihimanga Faravohitra no nahatazana tongotr’olona nipoipoitra teo amina kizo iray. Niantso ny fokolona ity farany niara-nijery ity zavatra hitany, akory ny hataraina rehefa nozahana fa ilay bandy kely tsy hita tao Faratsiho ity hita faty ity. Nahitana dian’antsy efatra teo amin’ny tavany ary tapaka nodidina tamin’ny antsy ny tendany, toy ireny akoho novonoina ireny sanatria. Tombanan’ny olona avy hatrany ho natao sorona ity zaza ity noho ny fahitana ny ratra nahafaty azy.
Nametraka taratasy fitoriana ny fianakaviana ary efa eo am-panaovana fanadihadiana ny mpitandro filaminana amin’izao.
Andry N.