- Publicité SW45 -
jeudi, mars 28, 2024
AccueilFaits-DiversFaravohitra : Lehilahy iray nosamborin’ny Emmo-reg

Faravohitra : Lehilahy iray nosamborin’ny Emmo-reg

Noraisim-potsiny i Ra-Gista.

Ity no atao hoe mitonotena toa lolofotsy. Tsy nampoizin’ity jiolahy ieay ity mihitsy angamba fa teno mpitandrony filaminana niparitaka teto andrenivohitra omaly. Hatramin’ny maraina dia efa hita nihatra teny amin’iny boriborintany faharoa iny ireo na polisy na zandary na miaramila. Tazana izany hatrany mabanidia, manakambahiny ha hatrany Ambohijatovo tany. Tao anatin’izany indrindra no nahazo antso avy amin’olona tsara sitrapo ireo zandary izay nanao fisafoana teny Faravohitra, Ambondrona ary Ambohijatovo iny, nampandre fa misy mpangalatra manao ny asa ratsiny eny Faravohitra ambony eny. Niainga namonjy ilay toerana voatondro avy hatrany ireo zandary ka teo am-pangalarana tao amina tokantrano iray mihitsy ity lehilahy atao hoe Ra-Gista no voasabotr’ireo zandary mpanao fisafoana izay avy ao amin’ny Emmo-reg. Noho ny fizarana andraikitra mipetraka eo amin’ny mpitandro ny filaminana moa dia natolotra avy hatrany ny pôlisy ao amin’ny kaomisaria boriborintany faharoa  Ambohijatovo ambony ity olondratsy sy ny entana izay tra-tehaka niaraka tamin’ny entana maromaro. Eny anivon’ny polisim-pirenena izany ny fanaovana ny fanfadihadiana momba ity raharaha ity. Manolona ny fandraisana andraikitra nataon’ny mponina ka nahazoana ity mpanglatra ity dia manentana hatrany ny hitohizaan’izany fiaraha-miasa izany ny mpitandro ny filaminana. Ao anatin’ny asa fisorohana fandikan-dalàna (Police administrative) dia tsapa fa miara-misalahy hatrany amin’ny fisafoana atao ny Zandary sy Polisy eny an-kianja. Tsy misalasala mandray andraikitra ihany koa izy ireo raha misy tranga hafa ahiana.

T.M

- Publicité Google Ads -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici