Andro antoandro, tetsy Faravohitra, tokony ho tany amin’ny mitataovovonana tany ho any, tovovavy iray no niharan’ny fanendahana teny an-toerana. Finday no nezahin’ireto roa lahy nanendaka azy, nalaina teny aminy ary azon’ireo ihany moa izany nony niafarany. Ny antso vonjin’ity farany no nanaitra ireo manodidina ary soa ihany nisy pôlisy nanao fisafoana tsy lavitra teo. Na aiza na aiza tokoa amin’izao dia saika manjaka ny resaka tsy fandriampahalemana, eny fa na dia ny amin’ireo faritra voasokajy ho ambony ireny aza. Mazàna dia saika eny mihitsy ireo tontakely no miandry ny hazany ary tsy misy henatra intsony fa na dia amin’ny andro mazava aza dia sahy manao ny asa ratsiny izy ireo. Iny faritr’i Faravohitra iny rahateo, efa hiaraha-mahalala fa somary mangingina izay rehefa antoandro. Ny tsy nampoizin’ireto mpanendaka anefa, efa voarain’ny efa anivon’ny pôlisy miandraikitra iny faritra iny ihany koa, ny avy eo anivon’ny kaomisarian’ny boriborintany fahatelo, izay fomba fiadian’ireo olon-dratsy izay, ka nametrahan’izy ireo paikady matotra ho enti-manjono ireo mpanao ratsy. Toy ny nitranga ny alakamisy teo, raha nahasambotra mpanendaka iray teo am-panaovana ny asa ratsiny izy ireo. Araka ny voalaza tokoa mantsy dia roa lahy izy ireo no niara-nanendaka tovovavy iray ary lasa tamin’izany ny findainy. Nifanenjehana avy hatrany izy ireo, rehefa henon’ireo mpitandro filaminana ny antso vonjin’ilay lasibatra. «Tsy alavitra teo no tratra ny iray tamin’ireto farany raha tafatsoka kosa ny iray izay nitazona ny entana very. Nentina nihazo ny birao avy hatrany ity lehilahy ity ary mitohy kosa ny fanadihadiana sy ny fikarohana ny namany hafa » hoy ny fampitam-baovao azo. Notanana natao andrimaso avy hatrany moa ity tovolahy ity mandram-piandry ny fotoana hanolorana azy eny anivon’ny Fampanoavana.
m.L