Mitombo hatrany ny trangana tsy fandriam-pahalemana eto an-drenivohitra. Ankoatra ny fanakanana sy fanendahana olona mitondra fiara amin’ny andro alina dia miseho lany indray tato ho ato ny fanendahana jirona fiara. Lehilahy iray manodidina ny 30 taona eo ho eo no tratran’ny fokonolona ambody fiara nanendaka ny jiro aoriana tamina fiara iray nijanona teny Faravohitra ny harivan’ny alakamisy teo. Roa izy ireo no niaraka fa ny iray kosa tafatsoaka rehefa nahita ny olona nanantona. Nisy tamin’ireo izay nanatri-maso no nenti-katezerana mafy ka tsy namela mora foana ity mpangalatra tratra. Niafara tamin’ny fikasihan-tànana ny raharaha. Nisy tamin’ireo izay tena tezitra no nidaroka sy namono azy. Vokany : vaky ny vavany. Raha ny filazan’ny manodidina tokoa mantsy dia efa nandrasan’izy ireo kendry tohana ny fandalovan’ireto mpangalatra ireto satria efa be ny fitarainana mahakasika ny fangalarana jirona fiara eny amin’iny faritra iny. Fantatra fa efa nentina eny amin’ny biraon’ny polisy ity farany taorian’izany. Mbola karohina araka izany ilay namany tafatsoaka.
Niony H.