- Publicité -
vendredi, juillet 11, 2025
AccueilFaits-DiversFaravohitra : Nampandrenesina ny fiara an-tsisin-dàlana

Faravohitra : Nampandrenesina ny fiara an-tsisin-dàlana

Nivezivezy teny an-toerana ny tompon’andraikitry ny kaominina; izay narahin’ny polisy mba hampitandrina ireo olona nametraka fiara an-tsisin-dàlana, amin’ny ilany havia. Tsy nisy nanohitra ilay endrika fanarahan-dalàna ny olona, saingy samy nametra-panontaniana kosa ny amin’ny toerana hasiana ireo fiara indray. Tsy voatery hanana « garage » mantsy ny tsirairay ary vitsy rahateo ny trano malagasy izay manana izany rafitra izany. Dikany, tsy maintsy eny an-tsisin-dàlana avokoa ny hametrahana ny fiara. Mazava fa tsy azo ihodivirana ny famerenana amin’ny laoniny ny tanànan’Antananarivo, saingy mba tokony hisy fotodrafitrasa mifanaraka amin’izany aloha vao tonga amin’ny fandraisana fanapahan-kevitra. Dia aiza izany izao no ametrahan’ny tompon-tanàna ny fiara ? Mipetraka ny fanontaniana ary  andrasana amin’ny kaominina ny valiny.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici