- Publicité -
lundi, juin 16, 2025
AccueilFaits-DiversFaravohitra : Noraofin’ny pôlisy ireo mpianatra tratra nampiaraka

Faravohitra : Noraofin’ny pôlisy ireo mpianatra tratra nampiaraka

Ankizy tsy ampy taona am-polony maro, mpianatra amin’ireo sekoly manodidina eny amin’iny faritra Faravohitra iny no noraofin’ny polisy avy eo amin’ny « brigade feminine de proximité » (BFP) omaly. Hita nampiaraka sy nilalao « jeux » amin’ny ora fianarana izy ireo ka naterina avy hatrany tany amin’ny sekoly misy azy ireo tsirairay avy. Tafiditra ao anatin’ny asan’ny polisim-pirenena, hoy ny vaovao ny fiarovana ny ankizy tsy ampy taona. Misy ireo toerana izay azon’ireo ankizy, indrindra fa ny mpianatra handehanana mihitsy, toy ireo toeram-pilokàna, toerana fisotrona zavam-pisotro misy alikaola ary ireo toeram-pilanonana toy ny « boite de nuit ». Tamin’io omaly io anefa, dia tsikaritr’ireo mpitandro filaminana fa misy ireny karazana « salle de jeux» , teny Faravohitra teny no mampiditra ankizy manao « tablier » amin’ny ora tokony hianarana. Mazana hoy ny vaovao dia amin’ilay ora babangoana (heure creuse), na fakan-drivotra na ilay ora firavana iny izy ireo no miditra amin’ireny toerana ireny. Ary tsy vitan’izay fa ny sasany dia lasa mampiaraka sy mirenireny eran’ny tanana. Misy mahavita mingitrika fianarana mihitsy aza, mba hanaovana izany zavatra izany, hoy hatrany ny eo anivon’ny pôlisy. Nahatratra teo amin’ny roapolo teo izy ireo, raha ny omaly fotsiny no noraofina ary nentina naverina tany amin’ny sekoly misy azy tsirairay avy tany ireo mbola tokony hianatra, ary nalefa nody kosa ireo efa nirava. Araka izany manao antso avo amin’ireo ray aman-drenin’ny mpianatra ny eo anivon’ny pôlisy mba hijery akaiky ny fandaraham-potoan’ny zanany any an-tsekoly. Ary ho an’ireo sekoly kosa dia tsy tokony havela hivoaka ny faritry ny sekoly ireo mpianatra amin’ny ora fakan-drivotra sy « heure creuse. Tokony ho hentitra ny fiaraha-miasa eo amin’ny Ray aman-dreny sy ny tompon’andraikitry ny sekoly ka tokony hosoratana amin’ny carnet de correspondance raha misy ny firavana na fodiana alohan’ny fotoana voatondro ». Izany moa, hoy izy ireo dia mba entina hiarovana hatrany ireo sombiniantsika amin’ireo loza maro samihafa mety hitranga, indrindra fa imason’ireo herisetra ara-nofo manao sesilany tato ho ato izay. Marihana fa nampiantsona teny anivon’ny pôlisy ilay tompona trano filalaovana « hampahafantarina azy ny fahadisoany ary nomena fampitandremana mba tsy hamerina izany intsony ».

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici