- Publicité SW45 -
mercredi, décembre 4, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversFaravohitra : Oram-be sy delestazy, fiara telo vaky

Faravohitra : Oram-be sy delestazy, fiara telo vaky

Nety tanteraka tamin’ireo mpanao ratsy ny toetry ny andro sy ny zava-nisy, tamin’ity indray mitoraka ity. Sady avy be ny orana no tapaka ny jiro. Io rahateo dia matetika miaraka ankehitriny eto an-drenivohitra. Rehefa avy ny orana dia matetika minitra vitsy aorian’izay dia mijanona koa ny herinaratra. Tsy mbola ahitàna fanazavàna ara-teknika matotra ny mety ho anton’izany fa dia samy miaritra ny isan-tokantrano. Tetsy Faravohita dia fiara telo no indray nohararaotin’ny jiolahy. Novakiana ny fitaratra na nopitsohina ny varavarana ary dia nalaina avokoa izay azo nalaina tao anatiny avy eo. Ny « autoradio » sy ny « batterie » no tena lasa tao anatin’ireo fiara telo nifanakaiky. Misy mpiambina ihany ilay toerana na dia amoron’arabe aza. Saingy tsy nahita na inona na inona ireo, mety noho ny oram-be sy ny haizina. Mazava hoazy koa fa tsy nisy zavatra heno tao anatin’izany. Nanokatra fanadihadiana momba ity raharaha ity ny mpitandro ny filaminana izay misahana ny boriborin-tany rehefa avy nanao fizahana ny zava-nisy. Mampirongatra ny asan-jiolahy ny haizina, indrindra ety amin’ny tanan-dehibe. Mila ampiana hatrany ary fenoina jiro mandeha amin’ny herin’ny masoandro ny renovohitra rehefa tsy maharaka intsony ny herinaratra. Efa nahitam-pahombiazana izany amin’ny faritra sasany dia tokony tohizana ny ezaka. Mendrika ny hazava be ny renivohitra ary fomba hanenàna ny asan-jiolahy rahateo izany.

D.R

- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici