- Publicité -
jeudi, mai 15, 2025
AccueilFaits-DiversFaravohitra : Ramatoa nolazaina ho mpamosavy, nitangoronana

Faravohitra : Ramatoa nolazaina ho mpamosavy, nitangoronana

Tsy amin’ny alim-be akory, fa manodidina ny tamin’ny enina ora hariva no nisy ramatoa natositosiky ny tanora maro teo an-tanàna. Tsy nokasihan-tànana akory izy fa noroahina kosa hiala teo Faravohitra. Ny antony, dia noheverina ho mpamosavy na ny fihetsiny, na ny akanjo nanaovany. Maimbo be rahateo ny tenany hany ka mainka koa nanamafy ny fanahian’ireo olona teo amin’ny manodidina. Nitokona ilay ramatoa izay manodidina ny 50 taona nandritra ny fotoana elaela. Voatery nosintonina ary saika naterina teny amin’ny polisy. Fantatra anefa fa, tsy mandray ireny karazan’olona ireny ny mpitandro ny filaminana, satria matetika sady tsy misy mpitory no manakoronana fotsiny koa ny ao anaty « cellule ». Torak’izany ihany koa ny eny amin’ny fonja; izay tsy manaiky ny hampidirina ireo olona voarohirohy ho mpamosavy intsony ao aminy, noho ny mety ho fanakorontanana aterak’izy ireny ho an’ny voafonja. Ny hany herin’ireo tanora, dia nanatitra ilay ramatoa teny amin’ny toerana maizim-be teo Ambohijatovo ambony. Asa izay mety ho nanjo izay nifanena taminy tao anatin’ny alimbe tao…

D.R

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici