- Publicité -
vendredi, juin 13, 2025
AccueilFaits-DiversFaravohitra : Trano sivy in-dray kila forehitra, olona iray naratra

Faravohitra : Trano sivy in-dray kila forehitra, olona iray naratra

Nisesisesy tanteraka tato ho ato izay ny hain-trano. Teny Faravohitra, omaly maraina, dia trano maromaro indray no lasa lavenona tao anatin’ny fotoana vitsy monja. Olona iray kosa no fantatra fa naratra tao anatin’izany loza izany.

Tokony ho tamin’ny efatra ora sy sasany maraina tany ho any no nitranga ny loza teo akaikin’ilay tohatohabato ambanikelin’ny Somagi iny. Araka ny angom-baovao azo avy eny an-toerana, dia niainga tao amin’ny trano iray fivarotana mofo izy io. Menaka latsaka tanaty afo, nahazo zavatra mora nirehitra no nahatonga izany. Noho ny toetr’andro, vetivety dia niitatra izany afo izany, nandrava ireo trano maromaro teny an-toerana. Marihana, fa trano somary lavalava eo amoron-dalana izy ireo, saingy mifandray ary samy manana ny tompony avokoa. Misy tsena tao anatin’izany ary misy ihany anefa trano nipetrahana. Vao nidonaka monja ny setroka dia efa mailo avokoa ireo teny an-toerana ary samy nikoropaka namoaka ny entany. Tao anatin’izany fisavoritahana tanteraka anefa, dia nisy raim-pianakaviana iray naratra. Raha mbola teo am-pikoropahana namoaka ny entany mantsy izy no nirehitra ny trano nisy azy. Teo amin’ny tanany no may raha ny vaovao hatrany. Ankoatr’ireto trano maromaro ireto, dia fantatra fa nisy fiara iray nipetraka teo amoron-dalana ihany koa no nolelafin’ny afo ary may tamin’ny ampahany.

Nanao izay ho afany tamin’ny famonoana ny afo ireo mponina, saingy tsy nahasakana ny firehetana tsy hiitatra izany. Soa ihany fa tonga fotoana fohy monja taorian’ny nitrangan’ny loza ireo  mpamonjy voina. Minitra vitsy monja taorin’ny nahatongavan’izy ireo, dia efa voafehy sy maty tanteraka ny afo. Am-polony maro ireo olona tsy manan-kialofana vokatr’ity loza ity ary tombanana ho an-tapitrisany maro ny fahavoazana naterak’izany trano may izany.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici