Tsy iza fa olona akaiky ny fianakavian’ilay ankizivavy novonoiny ihany. Marina ny tombana fa lohan’ilay olona hita tetsy Faravohitra ny vatany, ilay hita teny Morondava-Antehiroka. Fantatra ihany koa ny momba ny maty. Ankizivavy vao 14 taona, izay nofitahina homena asa kinanjo naolana ary novonoina, dia notapahan-doha koa. Tsy ela dia nandeha ny fanadihadiana nataon’ny polisy misahana ny heloka bevava etsy Anosy manoloana iny vonoan’olona mahatsiravina nanaitra an’Antananarivo iny. « Teny an-dàlana no hitan’ilay rangahy 45 taona ilay ankizy ary nofitahiny tsimoramora fa omena asa. Nanaiky nanaraka azy ary nentiny teny Faravohitra. Tao anatin’ilay oram-be ny alin’ny alatsinainy teo no naolana sy notapahin-doha », raha araka ny fanampim-baovao avy amin’ny sampana miadidy ny heloka bevava. Azo heverina fa mbola velona ilay ankizivavy saingy torana no notapahina tamin’ny antsy ny tendany. Tenda izay nentina teny amin’ny doany iray eny Andranoro mba nanaovana fombafomba. Omaly koa dia nisy mpiambina miisa roa an’io doany io nosamborina ary nanokafana fanadihadiana. Tsy nanafina mihitsy ny rangahy nanao ny heloka bevava mitantara ny fomba namonoany azy, izay feno habibiana tanteraka. Mandeha ny resaka ankehitriny fa ndrao efa fomba fanao any amin’itony doany itony ny fanaovana sorona. Midika izany fa misy fanaraha-maso hentitra tokony hataon’ny fanjakana, satria lasa mampanahy fa mifono heloka bevava ny fanao ao anatin’ireny. Indrindra koa tena feno izany eto Madagasikara, eny fa na eto an-drenivohitra aza. Efa manamboka mivaingana ny porofo, dia ireny halatra voamaso sy fanapahan-doha ireny. Mahakasika ny raharaha Faravohitra dia tonga naka ny razana teny amin’ny tranom-patin’ny Hjra ny fianakavian’ilay ankizivavy omaly. Ontsa tanteraka izy mianakavy kely ary tezitra mafy amin’ilay olon-dratsy. Etsy Anosy dia mizotra amin’ny fanadihadiana momba ny doany nanaovana sorona ny asa mandeha. Izany dia mba hoentina manazava bebe kokoa sao ireny toerana ireny no tena mampiroborobo ny heloka bevava avy amin’ny alalan’ny fanaovana sorona.
D.R