- Publicité -
samedi, septembre 12, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversFari-piadidian’ny fampianarana Vavatenina : Nidina ifotony nanao fanadiadiana kolikoly ny Bianco

Fari-piadidian’ny fampianarana Vavatenina : Nidina ifotony nanao fanadiadiana kolikoly ny Bianco

Nametraka fitoriana teny amin’ny Bianco ny raiamandrenin’ireo mpianatra ao amin’ny fari-piadidian’ny fampianarana ao Vavatenina. Ny antony fitoriana dia fahatsapan’izy ireo fa tokony hatao tsara tantana amin’izany ny volan’ny raiamandreny, mba hanatsarana ny fanabeazana an’ireo ankizy. Vokatra izany dia tonga nanatanteraka fanadiadiana ifotony tany an-toerana ny birao mahaleontena miady amin’ny kolikoly na Bianco ny andron’ny 08 aogositra 2022 ary naharitra dimy andro ny fanadiadiana. Taorian’izay dia nitohy tao amin’ny renivohitra Analanjirofo ny fanadiadiana tamin’ny fanodikodinam-bola miseho ao amin’ny faritra mikasika ny tamberim-bidy na lavanilina izay tsy hita popoka araka ny vaovao voaray. Raha iverenana ilay raharaha voalohany momba ny resaka fampianarana izay nahatonga fitoriana teny amin’ny Bianco, izay nitranga tao amin’ny CEG Ambatobe Vavatenina antontan-taratasy voalohany RPI n° 0189-DTT/22, sy ny raharaha momba ny fari-piadidiam-pampianarana Vavatenina antontan-taratasy faharoa RPI n° 0190-DTT/22, ary ny antontan-taratasy fahatelo laharana RPI n° 191-DTT/22 momba ny sekoly ambaratonga voalohany Ankazomianko Vavatenina. Raha ny angom-baovao dia nifantoka betsaka tamin’ireo sora-bola mahakasika ny fampianarana ny fanadiadiana nataon’ny Bianco, isan’ireny ny sara-pisoratana anaran’ny mpianatra miditra taona faha-06 ka ny taon-dasa dia nitentina 6.445.500 ariary izany. Teo koa ny fampanofana ireo trano eva fivarotana eo anivon’ny sekoly izay mitentina 695.000 ariary. Araka ny fanadiadiana natao dia mitotaly 34.745.500 ariary no sora-bola tsy mazava tao anatin’ity fari-piadidian’ny fampianarana Vavatenina ity. ankilan’izany dia manao famindran-toerana miendrika fijerena tavan’olona sy mifandraika amina tsindry politika ny olom-boafidy ao Vavatenina ny talem-paritry ny fanabeazam-pirenena Analanjirofo izay manana ny foibeny ao Fenerivo Atsinanana. Raha ny fanazavana dia misy rohim-piavanana ny lehiben’ny fari-piadidian’ny fampianarana ao Vavatenina sy ilay olom-boafidy any an-toerana ka manjaka ny tsindry.”. Ho hita eo ny tohin’ny raharaha amin’ny fanadiadiana ataon’ny Bianco momba ity fanadikodinnam-bola amin’ny sehatry ny fampianarana ao Vavatenina ity.

Malala Didier  

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici