Vao nandre ilay fe-potoana nomen’ireto mpianatra ho an’ny fanjakana dia namory ireo mpianatra avy hatrany, omaly talata tao amin’ny efitry ny « demi-tonneau » tao Barikadimy, ny avy eo anivon’ny fiadiadian’ny Filohan’ny Repoblika. Ela ny fifandresan-dahatra teo amin’ny roa tonta tamin’izao dinika izao, satria nitaky hatramin’ny farany ilay vatsim-pianarana efa-bolana sy ny fikarohana ny namono ny mpianatra namany ireo mpianatra nasaina. Ho azy ireo mantsy dia hoe: nahoana no rehefa ny sivily mamono no zandary, tsy ela akory dia hita sy voasambotra ireo olona marobe, nefa raha zandary mahafaty sivily dia ela vao misy valiny. Eo koa ny momba ilay vatsim-pianarana izay naverimberin’ireo mpianatra fa takian’izy ireo ary tsy maintsy omena azy ireo fa zony. Ilay vatsim-pianarana efa-bolana. Efa any amin’ny oniversite ny lisitry ny mpianatra hizarana izany, saingy mbola olana amin’ny mpianatra ny fizarana ny vatsim-pianarana amin’ny alalalan’ny « M.Vola » sy ny hafa. Tsy fantatra hoe any amin’iza no hitakiana izany raha sanatria tsy tonga ny vola, hoy ireo mpianatra. Mbola nitohy tao amin’ny efitra malalaky ny lapan’ny faritra Atsinanana izany, notarihan’ny governoran’ny faritra sy ireo ekipany ary ny solontenan’ny Fiadiadiana ny Filoham-pirenena, ka teo no nampirisika ny hakan’ny mpianatra ilay vatsim-pianarana iray volana miampy ny « équipement » ny fanjakana. Nanome toky ramatoa avy amin’ny fiadiadiana ny repoblika fa efa mijery akaiky izany ny fanjakana momba ilay raharaha vatsim-pianarana, ary efa manokatra fanadihadiana mikasika ilay mpitandro ny filaminana namono mpianatra iny, hoy ny tonia mpampanoa lalàna eto Toamasina. Nanome toky koa ny governoran’ny faritra Atsinanana fa hanampy ara-bary ireo mpianatra raha vonona ny zava-drehetra mikasika izany amin’ity herinandro ity ihany. Nifanaraka ny roa tonta ary fa hajanona ny fitokonana eo amin’ireo mpianatra manomboka izao, ka miverina mianatra izy ireo. Ankoatra izany dia niatrika ity resaka nifanaovan’ny mpianatra sy ny olom-panjakana ity koa ireo sojan’ny foko 22 eto Toamasina.
Malala Didier