Natao ny zoma 18 septambra maraina tao amin’ny CJST ny fanolorana fanomezana sy diplaoma ho an’ireo afaka fanadinam-panjakana, CEPE – BEPC – ary BACC, ho an’ny faritra Atsinanana. Natao tao amin’ny efitrano malalaky ny CJST na ex-CRJS ny lanonana fanamarihana izany, ary ireo zaza sy ankizy sangany tamin’ireo distrika fito mandrafitra ny faritra Atsinanana no nantsoina teto Toamasina renivohitra. Raha ny fanazavana dia sangany iray isaky ny distrika no nampanatsoina teto Toamasina, ary miisa roa kosa tamin’ny bakalorea dia ny baka ankapobeny sy ny baka teknika.
Nambaran’ny lehiben’ny faritra, Atoa Razafiarison Jean Jugus, fa tena ilaina ny zavatra toy izao araka ny nambaran’ny lehibe ny faritra, satria isan’ny mampirisika ny ankizy sy ny tanora malagasy hanohy ny ezaka efa nataony ny toy izany. Nohamafisin’ny filoha lefitra avy eo amin’ny antenimierampirenena misahana an’i Toamasina, Atoa Razara Pierre, izany, ary nilazany fa hiteraka fahavitrihana sy ezaka amin’ny fitondrana an’i Toamasina any aoriana handimby ireo zokiny ireto ankizy, ary hiteraka angovo vaovao ho an’i Toamasina ihany koa. Efa miditra amin’ny fanomezan-danja isam-paritra amin’ny fanabeazana ny fanjakana fanavaozana amin’izao, ka samy miezaka ny isam-paritra manome lanja ireo zaza sy zatovy ary ireo tanora avy ao aminy hanabe voho ny lafin’ny fanabeazana.
Nisy koa ny fanolorana maripakasitrana ireo tena mendrika sy ireto mendrika nandritra izany, ka nahazo izany ireto mpianatra miisa telo ireto, izay iray tamin’ny CEPE Ramatoakely Nomenjanahary Fitahiana nahazo isa 19,9/20 – teo amin’ny BEPC Ramatoakely Tsiresy isa 19,22/20 – ary ny teo amin’ny Bakalorea Atoa Mahafarinenja sokajy D mpianatra La Salle Toamasina isa 16,90/20 bakalorea ankapobeny, Fanomezantsoa isa 15,14/20 sikajy CCBTP sokajy teknika, izay samy avy eto Toamasina renivohitra avokoa. Namporika azy ireo hanao misimisy ireo solontenam-panjakana niatrika ny lanonanana. Nisy koa fanolorana maripakasitrahana avy amin’ireo mpiara-miombona antoka tamin’ny faritra Atsinanana angady nananana sy vy nahita ny lanonanana, ka nisy koa fanolorana zy ireo ny « kits scolaire » – « tablette » – vola ao anaty kaonty eo anivon’ny Baobab banky sy « Caisse d’épargne ». Notoloran’ny sampan’ny oniversite MIEL avy any Maurice sy Inde ary Malaisie vatsim-pianarana ihany koa ireo nahazo ny bakalorea, miaraka amin’olona hafa 10, sy olona 05 hafa ho an’ny LFL any Antsirabe ary olona 04 ho an’ny KIS.
Ankoatra izay rehetra izay dia tsy nanadino ny anjarany koa ny oniversiten’i Toamasina, ka nanolotra vatsim-pianarana ho an’ireo tanotra 05 misafidy ny oniversiten’i Toamasina. Ny zavatra tsikaritra ihany koa, dia nitombo ireo isan’ny mpiara-miasa tamin’ny faritra tamin’ny fanohanana ireto mendrika tamin’ny fanadinam-panjakana ny faritra atsinanana ity. Niisa 45 mahery izy ireo raha efatra ireo banky atao anatin’izany.
Malala Didier


