- Publicité SW45 -
vendredi, décembre 6, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversFaritra Vakinankaratra : Nanamafy ny fifandraisan’ny mpanao gazety

Faritra Vakinankaratra : Nanamafy ny fifandraisan’ny mpanao gazety

Tontosa ny herinandro lasa teo ny andiany voalohany amin’ity taona vaovao ity ny « petit déjeuner de presse » hetsika fanaon’ny governoran’ny faritra Vakinankaratra hisian’ny fifanakalozana akaiky kokoa ho an’ny mpanao gazety sy ny governora. Efa fanaon’ny faritra moa izy ity saingy nihantona izany volana vitsivitsy lasa izay saingy izy naverina izao indray. Paikady efa fananoan’ny governora hatrizay ity sakafo maraina arahina valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety ity. Tanjona ny hisian’ny fifandraisana akaiky kokoa ny mpangao gazety sy hifampizarana vaovao. Ianareo mpangao gazety hoy ingahy governora no handrenesako mivantana ny hetahetan’ny vahoaka. Tsy ankitsisy ny fametrahana fanontaniana ary saika voaresaka avokoa rehefa zava mitranga eto amin’ny faritra, misy ny tsindry paingotra satria maro rahateo ny mpanao gazety tsy miandany na amin’iza na amin’iza eo amin’ny sehatra politika. Isan’ny manampy betsaka amin’ny asa fanaovan-gazety, ny fanangonam-baovao ny zavahatra tahaka izao ary hirariana ny hitohizan’izany. Saika efa manana takelaka amin’ny tambajotran-tserasera facebook mantsy ny sampandraharana misy indrindra fa ny mpitandro filaminana ka any izy ireny no mamoaka ny vaovao, manao ny asa’ny mpangao gazety.

Andry N.

- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici