- Publicité SW45 -
samedi, avril 20, 2024
AccueilFaits-DiversFasan’ny Karàna : Tovovavy roa, mpisoloky amin’ny “cash point” voasambotra

Fasan’ny Karàna : Tovovavy roa, mpisoloky amin’ny “cash point” voasambotra

Tsy misy tandroka tokoa ny ratsy.

19 taona ny iray ary 25 taona ilay namany. Vehivavy roa indray no tra-tehaky ny pôlisy misahana ny heloka an’habaka, na “cybercriminalité”, ny fiandohan’ny herinandro teo, noho ny resaka fisolokiana nataon’izy ireo tamin’ny cash point iray teny amin’iny faritra Fasan’ny Karàna iny. Tsy ampoizina tokoa ary tena tsy lany teti-dratsy andro aman’alina ireo mpisoloky, indrindra moa fa raha vao mikasika ity resaka vola amin’ny finday ity. Tokony ho iray volana lasa izay, “cash point” iray teny amin’ny Fasan’ny Karàna no lasibatr’ireo mpisoloky indray, ary nahaverezana vola mitentina teo amin’ny 650.000 ariary teo ho eo. Nilaza ho rahavavin’ilay mpitantana ity kioska ity moa ireo olon-dratsy tamin’izay fotoana izay ary nangataka io volabe io. Marihina fa samy miasa amin’ny cash point avokoa izy mirahavavy ireto. “Tamin’ny antso nifanaovan’izy roa no nilazan’ilay iray fa tsy nisy « solde » intsony ny kaontin’ny laharana finday nampiasainy ka mba andefasana vola ary nangataka 650 000ar izy tamin’izany. Nandefa avy hatrany ilay vehivavy voalaza etsy aloha rehefa nihevitra fa rahavaviny tokoa no niantso”. Taty aoriana anefa, rehefa nihaona nivantana tamin’izay ireto mpirahavavy ireto ary nifanazava tamin’ilay vola tokony  haverina, dia fantatra teo fa lasibatry ny fisolokiana. Nametraka fitoriana avy hatrany tany amin’ny mpitandro filaminana izy ireo. “Nandray ny andraikiny avy hatrany ny tomponandraikitra eo anivon’ny Polisim-pirenena ka nanokatra ny fanadihadiana. Natao ny vela-pandrika ka vehivavy roa no voasambotra teny amin’ny Fasan’ny Karàna izay toerana misy ilay cash point voasoloky ihany”. Izany hoe mety ankevitry ny efa fantatr’ireto mpisoloky tsara ny fombafomban’ny mpitantana sy ny fomba fiasan’izy ireo tao amin’io toerana io, ka nahafahany mora foana nanao izao asa ratsy izao. “Niaiky ireto farany fa nanao ny fisolokiana saingy efa tsy tany amin’izy ireo intsony ny vola azony”, hoy hatrany ny fampitam-baovao azo. Omaly moa no natolotra teny anivon’ny Fampanoavana izy roa vavy ireto ary samy nadoboka am-ponja vonjimaika avokoa. Ilàna fitandremana sy fahamailona foana tokoa ny fikirakirana ireny vola amin’ny finday na vola eletrônika ireny. Mazàna mantsy ny rehetra dia mihevitra fa mandeha ho azy ny fikirakirana azy ireny ka matetika tsy mijery tsara intsony na toa kamo hanamarina tsotra izao izany zavatra voalaza ao. Litera na tarehimarika iray mifamadika fotsiny anefa dia mety efa hitondràna ny taolam-be tsy mitapaka.

 m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici