- Publicité -
mercredi, juillet 2, 2025
AccueilFaits-DiversFasan’ny karàna : Tovovavy roa tratra nivarotra rongony

Fasan’ny karàna : Tovovavy roa tratra nivarotra rongony

Angamba mahazatra ary mora fantatra sy tsikaritra raha toa ka lehilahy no handeha hivarotra rongony eny amin’ny tobim-piantsonan’ny taxi-brousse mianatsimo iny. Tovovavy no halefan’ireo mpibizina, amin’izay tsy mahasarika loatra ny mason’ireo mpitandro filaminana. Diso tanteraka anefa ! Ny andron’ny alakamisy lasa teo, vehivavy roa, mbola ao anatin’ny hatanorana, 24 sy 23 taona no voasambotry ny pôlisy misahana ny zava-mahadomelina teny amin’ny Fasan’ny karàna. Tamin’ny fisavàna azy ireo dia mbola nahitàna fonosan-drongony maromaro tany amin’izy ireo. Raha ny fampitam-baovaon’ny pôlisy, dia mampitaraina ny mponina eny amin’iny faritra manodidina ny fiparitahan’ny zava-mahadomelina, indrindra fa ny rongony. Efa re siosio ary tonga teny am-poto-tsofin’ireo pôlisy ny fisiana olona mpamatsy izany zava-mahadomelina izany teny an-toerana. Taorian’ireo fitairanana maromaro ireo dia niroso tamin’ny fidinana teny ifotony ireo pôlisy ary nanao ny fanaraha-maso ny manodidina. Tsikaritr’izy ireo tamin’izany ny fisian’ireto vehivavy ireto ary nanaovana vela-pandrika. Tra-tehaka tsy afa-niala intsony tao anaty vovo izy roa vavy, ary nosamborina avy hatrany. « Baombana rongony 17 isa ary rongony rarany 300g izay amidiny 5000ar ny baomba iray raha 500ar ny fonosana iray » hoy ny vaovao azo. Nentina avy hatrany nihazo ny biraon’ny polisy tetsy Anosy araka izany izy roa ary nanaovana famotorana. Nandritra izany, hoy hatrany ny fampitam-baovao no nilazan’ny iray tamin’izy ireo fa hoe nisy naniraka. Raha vao nahazo ny toerana misy ity « mpaniraka » ity moa ireo mpanao fanadihadiana dia nihazo avy hatrany ny toerana. « Tsy tratra tao an-trano ity farany ny andro nahatongavan’ny polisy (…) ». Omaly ireto roa vavy mpibizina rongony ireto no fantatra fa natolotra ny Fampanoavana.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici