Nosamborina teny amin’ny trano fonenany teny Nanisana ny rangahy iray, ahiana ho namono ramatoa iray, izay hita faty tetsy amin’ny fasam-bahiny tetsy Anjanahary ny 23 Aogositra lasa teo. Araka ny fampitam-baovao avy amin’ny pôlisy dia rangahy vadiny ihany ity voarohirohy ho namono nahafaty azy ity. Ny andron’ny fisamborana dia nilaza ho narary saina ranamana ary mbola manaraka fitsaboana eny Anjanamasina. « Efa tompon’ny tenany tsara anefa izy io ary salama ara-dalàna tsara amin’izao », raha ny fanazavana azo hatrany. Raha ny loharanom-baovao hatrany dia niainga tamin’ny fitoriana napetrak’ireo fianakavian’ny maty ny fanadihadiana, izay niahiahy avy hatrany ity vadiny ity. «Ny 03 Septambra 2015 lasa teo dia nametraka fitoriana teny amin’ny pôlisy misahana ny heloka bevava ety Anosy ny fianakavian’ilay ramatoa maty ka ny vadin’ny maty no niantefan’ny ahiahin’izy ireo » hoy ny vaovao. Niahamafy ny ahiahin’izy ireo taty aoriana rehefa saika hamangy an’ity rainy ity ireo zanany, izay mipetraka any amin’ny renibeny, taorian’ny fahafatesana. Tsy hita tao an-tranony intsony ingahirainy fa nitsoaka. Ambonin’izay dia voamarik’ireto ankizy ny fisian’ny piti-drà tao an-trano. Nilazan’ny pôlisy fa « tamin’ny “constatation” natao tao amin’ny tranon’izy mivady dia hita ny “trace”n’ilay ra teo amin’ny rindrina sy tamin’ny « bahut » ary ny vata hazo sy lambam-baravarana izay noezahana nokosehina. Hita tao koa ny tapak’ilay tady namatorana ilay bodofotsy namonosana ny faty izay tadin-damba an-dry zareo tao ihany. Ny fianakavian’ity rangahy ity dia efa nahafantatra fa izy no namono ny vadiny saingy ninia nanafina». Notazomina avy hatrany ity rangahy ity rehefa voasambotra sy hita ny toerana nisy azy, mba atao fanadihadiana. Saika omaly no nampiakarina teny anivon’ny Fampanoavana ny raharaha saingy ahemotra anio indray izany, raha ny fanazavana nomen’ny pôlisy hatrany.
m.L