Misy milaza fa mahita voafonja mandehandeha ivelan’ny figadràna. Nisy mihitsy ny naka sary ny toerana ipetrahan’izy ireo, ao amin’ny fokontany iray ao an-toerana ihany. Raha araka ireo loharanom-baovao ireo dia misy mampanofa « bungalow » izy ireo mba tsy hijanonany ao am-ponja. Ny tena mampanahy ny olona dia misy ireo voafonja noho ny raharaha heloka bevava kanefa dia hita mipetraka ivelan’ny fonja, manofa trano. Isan’ny nisy nanamarika ny momba ny lehilahy roa voatazona noho ny vonoan’olona tany Maromitety Vavatenina sy Andasibe Vavatenina. Misy iray hafa koa havanana amin’ny fivarotana tany amin’ny alàlan’ny taratasy hosoka, ary milaza ho misy mahita ao Fenoarivo Atsinanana ihany ary manofa trano koa. Ny trano indray dia toa efa natokana ho an’ireo mihitsy raha araka ny fanamarihana hatrany. Tsiahivina fa efa nandalo filankevitra ara-pitsipi-pipehezana ny lehiben’ny fonja voakasika tamin’ny taona 2022 noho ny gaboraraka tafahoatra tao amin’ny fonja. Tafaverina tamin’ny toerany io, saingy mampanahy mafy ny olona ny zava-misy ao an-tanàna ankehitriny ka nahatonga ny fitarainana maro, roa taona aty aoriana. Mamofona endrika bizina avo lenta indray, ary raha voamarin’izay hanokatra fanadihadiana ny momba ireo gadra manofa trano ireo dia mazava izany fa tena lasa orinasa ny toeram-pamonjana ao an-toerana. Andrasana ny fepetra mety horaisin’ny ministera tompon’andraikitra, indrindra amin’ny fanamarinana haingana ny zava-misy.
D.R