- Publicité -
mardi, mai 13, 2025
AccueilFaits-DiversFenerive-Est : Ramatoa nisandoka ho mpanao gazetin’ny Midi

Fenerive-Est : Ramatoa nisandoka ho mpanao gazetin’ny Midi

« Ompa variraraka no nataony tamin’ny tompon’andraikitry ny koperativa. Tsy vitan’izany fa mbola nitohy fandrahonana ihany koa » raha araka ny fitarainan’ny olona niharan’izany. Tany Fenerive-Est omaly, teo amin’ny biraon’ny kaoperativa iray izy mampitoy an’Atsinanana amin’andrenivohitra, no nitranga ny raharaha. Nisy ramatoa iray niaraka tamin’ny zanany kely izay nanao famandrihan-toerana, toa ny fanaon’ny maro, mba hiakatra aty Antananarivo raha miala eo an-toerana. Nandeha ara-dalàna izany. Omaly kosa anefa, tokony ho tamin’ny valo ora sy sasany maraina, fetra farany hiaingan’ny fiara raha araka ny fandaminana eo anivon’ny kaoperativa, dia tsy mbola hita ihany ilay ramatoa. Voatery nantsoina tamin’ny findainy izy saingy tsy tratra antso. Adiny telo taty aoriana izy vao nitranga teo amin’ny birao ary rehefa nohazavaina taminy fa efa lasa ny fiara fitaterana tokony hitondra azy, dia izy indray no avo vava. Niakatra ny hafanana ary velona hatramin’ny fifamaliana. Teo amin’izay ilay ramatoa no nilaza fa mpanao gazetin’ny Midi Madagasikara ary nandrahona ny olona teo fa havoakany amin’ny pejy voalohany ny zava-nitranga. Navoakany ihany koa ny fakan-tsary ary nalainy sary ilay ramatoa iray izay teo amin’ny fandoavam-bola. Nikorontana ny sain’ny olona ary tonga teny an-toerana hatramin’ny tale isam-paritry ny minisitera iray aza nandamina ny raharaha. Io farany dia naka sary azy ihany koa ary nalefany taty an-drenivohitra izany. Vetivety dia vita ny fanamarinana ary fantatra fa nisandoka ho mpanao gazety ity ramatoa ity. Vantany vao hitany fa sahy koa ny olona, dia nitsaitsaika niala teo amin’ilay toerana izy. Raha ny fanampim-panazavana azo avy any an-toerana dia nisy fitoriana napetraky ny kaoperativa eo anivon’ny kaomisaria omaly ihany. Nampita ny zava-misy tamin’ny holafitry ny mpanao gazety ihany koa ny kaoperativa. Betsaka loatra ankehitriny ny misandoka io asa io mba hanaovana asaratsy na koa entina mampitahotra olona. Isan’ny andrandrain’ny maro ankehitriny ny famoahana karatra maha-matihanina ary izany dia tsy misy hidiran’ny fanjakana intsony ny famoahana azy fa miankina tanteraka amin’ny holafitra, mba hahafahana manadio ilay sehatra. Mbola sarotra anefa ny làlana noho ny kajikajy ara-pôlitika maro izay mbola tsy mamela ny asa fanaovan-gazety ho tena mahaleo tena tanteraka…

D.R

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici