- Publicité -
jeudi, mai 15, 2025
AccueilFaits-DiversFenerivo Atsinanana : Mahazo vahana ireo « jiovavy », lasibatra ireo mpivahiny

Fenerivo Atsinanana : Mahazo vahana ireo « jiovavy », lasibatra ireo mpivahiny

Araka ny fanadihadiana natao tany an-toerana tamin’ireo tompon’andraikitra sy ny mponina samy hafa, dia maro ireo mpizaha tany sy ireo mpitsangantsangana tonga no lasibatr’ireto “jiovavy”, na ireto mpampanofa tena amin’ny alina ireto. Vao eny amin’ny taksibrosy, vao tonga, na eny amin’ireo trano fisakafoanana sy trano fisotroana ho ireo mpitondra fiara manokana no hitilian’ireo “jiovavy” azy ireo amin’izany. Miara-miasa amin’ireo mpitondra posy ao an-toerana ireo “jiovavy” ireto. Ataon’izy ireo izay anjonoiny ireo olona tiany hasiana ireo mandritra izany. Ny sabotsy alina teo fotsiny ohatra, tao amin’ny fokontany Ambatototohely tampon-tanànan’i Fenervo atsinanana, dia olona telo be izao no lasibatra tamin’izany halatra nataon’ireto “jiovavy” ireto izao. Very tamin’izany ny finday avo lenta sy ny sakaosy ary ny vola an’ireto olona telo lasibatra ireto. Voapitsok’ireo “jiovavy” ny vavahady, avy eo ny varavaran-kely, ka teo no navoakan’izy ireo ny sakaosy nakan’izy ireo ny tiany nalaina rehetra. Ny maraina vao gaga sy taitra ny tompon’ny entana fa tsy nisy reny mihitsy ny zava-nitranga ny alina. Vao ny alahady maraina nitrangan’ity halatra ity dia efa nampiantso polisy ilay olona tratra, saingy tsy tonga ireto polisy raha tsy tamin’ny 11ora antoandro, na efa nalaina tamin’ny moto aza, mba hanafaiganana ny raharaha. Avy hatrany dia nilaza anaran’olona roa ahiahiany tamin’ny polisy tonga ilay olona tratran’ny halatra, fa tsy nivaky loha nikaroka sy nanao fanadihadiana ireto polisy tonga. Vokatr’izany dia nampiasa olona hitsongo dia ireo olona noahiahiany ilay rangahy, ka ny alahady alina ihany dia hita ny toerana misy ity “jiovavy” nangalatra ity. Ny alatsinainy teo no nosamborina ilay renim-pianakaviana izay manambady aman-janaka, ka raha natao ny fakana am-bavany azy dia niaiky ny halatra nataony izy, saingy ny finday ihany no naveriny fa ireo vola 100.000 ariary kosa efa laniny. Navotsotry ny polisy ity “jaovavy” ity taoriany fanadihadiana azy, na tokony nakarina teny amin’ny fampanoavana aza ny antotan-taratasiny, nodinihina sy nandraisana fanapahan-kevitra teny amin’ny tonia mpampanoa lalàna.

Malala Didier

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici