- Publicité -
vendredi, octobre 16, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversFenerivo Atsinanana : MD fa nanivaiva tamin’ny facebook

Fenerivo Atsinanana : MD fa nanivaiva tamin’ny facebook

Fanivaivana vehivavy nataon’i Sola Albert Rodrique, izay niteraka fanehon-kevitra samy hafa tao anatin’ny tambajotran-tserasera « Facebook », ary saika hiteraka hetsi-bahoaka mihitsy tao Fenerivo Atsinanana. Noraisin’ny fitsarana ny fanapahan-kevitra nampiditra azy am-ponja vonjy maika. Ny polisy « des mœurs et protection des mineurs » tao Fenerivo Atsinanana no nisahana ny fakana am-bavany azy taorian’ny fisamborana azy ny  zoma 09 oktobra lasa teo tao Ampasimbe Manatsatrana. Efa nitondra ny fifonany ampahibemaso sy tamin’ny tambajotran-tserasera azy ity dia tsy nanaiky ny fanivaivana nataony ny vehivavy Malagasy ny fampanoavana tany an-toerana, ka izao nahiditra am-ponja vonjy maika alohan’ny fitsarana ny raharaha izao ny tenany. Sehatra azon’ny rehetra ampiasaina ny tambajotran-tserasera, fa tsy entina kosa hanivaivana olona ampahibe-maso tahaka ny nataon’ity tovolahy ity. Manana fitaleavana misahana izany ny polisy ao amin’ny faritra Analanjirifo, ka afaka mitory eny avokoa izay mahatsiaro voatohintohina noho ny ataon’olona tsy tonga saina tahaka ity tranga ity. Misy ny lalana mifehy azy ireny raha toa ka manitsaka ny zon’ny hafa sy miteniteny foana izany, ary misy ny fehezan-dalana manasazy azy ireny eto amintsika raha  voaporofo izany. Nampitandrina ny fampanoavana fa tokony hadanjalanja ny teny avoakany amin’ny tambajotra ny rehetra, fa tsy hiteny « ratsy » olona, na hanimbazimba olona amin’ny aterineto, fa mahavoasazy araka ny lalana izany raha tafahoatra.

Malala Didier

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici