- Publicité -
jeudi, septembre 24, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversFenerivo Atsinanana : Trano enina kila forehitra, enina hafa voatery noravàna

Fenerivo Atsinanana : Trano enina kila forehitra, enina hafa voatery noravàna

Tokony tamin’ny 11 ora sy 30min dia nitrangana hain-trano goavana ny fokontany Andranolava P/elle n°01, raha ny fanazavana dia trano miisa enina teo no kila forehitra nandritra izany, trano enina hafa voatery noravana mba tsy hitaran’ny afo nitranga, tranom-barotra roa feno entana tsy nisy noraisina ary trano goavana fitehirizana jirofo may kila ihany koa. Raha ny fanazavana voaray avy any an-toerana dia niainga tamin’ny lakozia iray ny afo ka niampita tamina trano be ary tsy voasakana intsony ka nitarika izao fahamaizana goavana izao. Tao amin’ny tranom-barotra iray moa dia nisy vola 6.000.000 ariary may kila forehitra niampy ireo entam-barotra tao anatin’ity tranom-barotra iray ity. Tsy mba manana fiara mpamonjy voina i Fenerivo Atsinanana ka to no olana satria lasa ny vahoaka ihany no namonjy izay azo vonjena tamin’izao hain-trano goavana izao. Niasa mafy ny mpitandro ny filaminana niambina ireo jirofo tamin’izao hain-trano izao, satria tsy maintsy navotana ireo jirofo azo novonjena. Mila mitandrina ny rehetra momba ny afo fa loza ny aterany amin’izay tsy manana fiara mpamony voina sy haintrano i Fenarivo Atsinanana.

Malala Didier

Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici