- Publicité -
AccueilFaits-DiversFenoarivo Atsinanana : Ho vita « dallage » ny Epp ao Ambodinanto

Fenoarivo Atsinanana : Ho vita « dallage » ny Epp ao Ambodinanto

Simenitra iray taonina no natolotry ny Faritra Analanjirofo, tamin’ny anaran’ny fitondrampanjakana Malagasy, ho an’ity sekoly ambaratonga fototra ao amin’ny kaominina Saranambana ao amin’ny distrikan’i Fenoarivo Atsinanana. Nandritry ny fitsidihana nataon’ny Governora Dr Randriamantena Marcellin, ireo kaominina maromaro tao avatr’i Fenoarivo Atsinanana moa izany, ary nahitany ifotony ny zava-misy niainan’ireo mponina. Ny taona 2004 no vita izany sekoly izany noho ny ezaky ny fokonolona, saingy tao anatin’izay fotoana izay dia manao rapatany, tsy misy « dallage » fa avy hatrany dia tany, ireo ankizy mpianatra. Sekoly daba ihany koa tao anatin’io fotoana mandra-pahatongan’ny taona 2013, izay nivadihan’izany ho Epp. « Miisa 250 ny mpianatra ao amin’ity sekoly ity raha ny taom-pianarana 2022-2023, mpampianatra 6 no manodina ny sekoly » hoy ny vaovao. Tsapa anefa fa tena mahay ireo ankizy satria dia voalaza fa manodidina ny 80 isan-jato ny taham-pahafaham-panadinana isan-taona. Antony nanosika tompon’andraikitra voalohan’ny Faritra hanome izao fanampiana izao. « Velombolo ny fokonolona ka izy ireo no handray an-tanana ny akora hafa ( vatokely ), sy ny famitana azy » araka ny fanazavana hatrany. Ankoatry ny simenitra moa dia nahazo jiro mandeha amin’ny herin’ny masoandro ihany koa izy ireo.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
355,680FansAimer
2,515AbonnésSuivre
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UNE RÉPONSE

Veuillez saisir votre commentaire !
Veuillez entrer votre nom ici