Natao tsara ambina Anosibe, aty Fenoarivo indray ry tsy valahara no manao ny ataony. Jiolahy mpanendaka anankiroa no voasambotry ny zandary mpanao fisafoana ny alarobia lasa teo. Ny iray voasambotra teo Ambaniavaratra Fenoarivo, ny iray kosa nopaingorina teny Anosibe Angarangarana. Ny alin’ny talata teo izy roa lahy ireto no nanao ny asa ratsiny, tamin’iny lalam-pirenena voalohany, tsy lavitry ny sampanana mankany Malaza Ampitatafika iny. Araka ny fampitam-baovao azo dia olona handeha hody no nosakanan’izy ireo, tokony ho tamin’ny valo ora alina tany ho any. Niezaka ny namaly ihany ity farany, hoy ny vaovao fa navoakan-dry zalahy avy any ny antsy maranitra ka nanaiky mora foana ilay lasibatra. Tsy vitan’ny fanendahana anefa fa mbola niharan’ny vono ilay lasibatra teto ary lasan’izy ireo ny bisikleta teny aminy. Naratra mafy ity farany saingy mbola afaka nitsoaka sy niantso vonjy rehefa lasa ireo olon-dratsy. Tamin’io fotoana io no nifanena tamin’ireo zandary mpanao fisafoana. Nentina novonjena nihazo tobim-pahasalamana ity naratra ity ary nisy kosa ireo nanao ny fanenjehana sy ny fikarohana ireo olon-dratsy. Voalazan’ny zandary fa tsikaritra teo Antetezakely Ambaniavaratra, teo Fenoarivo ny iray tamin’io jiolahy, izay azo heverina fa mbola niandry ny hazany manaraka ary niarak tamin’ilay bisikleta halatra. Vao nahita ny zandary izy dia nanao tari-dositra saingy tsy lasa lavitra dia voasambotra ihany. Nentina nihazo ny biraon’ny zandary avy hatrany ho amin’ny famotorana. Tamin’izany no nanoroany ny misy ilay namany. Nanaovan’ny zandary sarika am-pandriana tany an-toerana moa ity farany ary io voasambotra ny ampitso, teny Anosibe Angarangarana io. Efa samy notanana natao andrimaso ho amin’ny famotorana azy ireo eny anivon’ny biraon’ny zandary ao amin’ny zana-tobi-paritra Ambohijafy moa ry zalahy ireto, miandry ny fanolorana azy eny anivon’ny Fampanoavana.
m.L



