Mpianaka maty novonoina tao Ambohidrazana-Fenoarivo. Nahoraka ary nahonena ny maro ny zava-nitranga tamin’ity fanafihana mitam-piadiana ity. Nandehany fikaroham-baovao sy ny fanarahana miafina izay mety nahiana ary voasambotra tsirairay ireo andian-jiolahy izay tompon’antoka tamin’ny heloka bevava, raha araka ny fanazavan’ny zandary. “Natomboka tamin’ny olona mpifanila akaiky ny fianakaviana niharan-doza. Mponina eo Ambohidrazana ihany ny efa-dahy tamin’ireo olon-dratsy rehefa nandeha ny fanadihadiana. Efa jiolahy mpamerin-keloka malaza ratsy amin’ny halatra sy fanafihana. Tonga hatrany Beravina-Sabotsy Namehana ny fisamborana. Jiolahy iray rain-dahiny no tsy maintsy natao izay nahazoana azy ary nandritry ny fisamborana dia nanohitra ary nikasa haka ny basin’ny zandary ity olon-dratsy ity. Nosintominy teny an-tanan’ilay zandary ny basy ka nahavoatifitra tsy nahy ny fen’ity farany. Nahita izany ireo zandary namany ka voatery nampiasa basy ary lavo tsy afaka nanohy ny asa ratsy intsony ilay jiolahy”, raha araka ny fanampim-panazavana avy amin’ny zandarimaria hatrany. Mahakasika ilay zandary naratra dia efa tsy misy ahiana ny ainy rehefa nentina teny amin’ny toeram-pitsaboana. Tafiakatra 11 arak’izany ny olona voasambotra amin’ity raharaha ity ary mbola misy ambiny karohina. Voalaza fa any amin’izy ireo dia mbola misy fitaovam-piadiana. Raha tsiahivina dia 300.000 ariary, peratra volafotsy roa ary finday miisa efatra no lasan’ireo olon-dratsy nandritr’ity fanafihana mitam-piadana izay nahafaty olona roa mianaka ity.
D.R




