- Publicité -
samedi, juillet 5, 2025
AccueilÀ lireFenoarivo : Tsipoapoaka nentina nanafihana

Fenoarivo : Tsipoapoaka nentina nanafihana

Efa saika matin’ny fitsaram-bahoaka, raha niezaka nandamina ireo fokonolona ny zandary.

Ankoatry ny fitaovam-piadiana sy zava-maranitra dia isan’ny fitaovana entin’ireo olon-dratsy manao ny asa ratsiny ihany koa ny tsipoapoaka. Tra-tehaka teny amin’ny jiolahy iray, voasambotry ny zandary avy ao amin’ny tobim-paritra Fenoarivo, ny voalohan’ny volana teo. Nitrangana fanafihana mitam-piadiana tao Fidasiana, Antsahadinta, tamin’io fotoana io. Fianakaviana iray avy nanao famadihan-drazana no voalaza fa saika notafihan’ny jiolahy efa-dahy mirongo fitaovam-piadiana sy ity tsipoapoaka ity. Raha ny fanazavana nentin’ny zandary dia ankevitry ny vola « kao-drazana » azon’ireto fianakaviana ireto no tena nokendren’ireo olon-dratsy tamin’io fotoana io. Vantany vao nigadona teo an-toerana fotsiny anefa ireto andian-jiolahy ireto dia efa nihetsika ny zandary tamin’ireo zana-tobi-paritra manodidina, ny teny Vontovorona sy ny teny Ampahitrosy. Voahodidina ireto farany ary raikitra ny fanarahan-dia sy ny fanenjehana nataon’ireto farany, niaraka tamin’ny fokonolona teo an-toerana. Tsy ela dia azo sambo-belona ny iray tamin’ireo mpanafika ary efa saika tsy namelan’ireo mponina raha tsy atao fitsaram-bahoaka. Efa naratra vokatr’izay daroka sy vono nataon’ireo fokonolona izay mihitsy moa ity olon-dratsy ity ary saika niafara tamin’ny famoizany ny ainy, raha tsy niditra an-tsehatra nanakana izany avy hatrany ireto mpitandro filaminana. Tamin’ny fisavàna azy, hoy hatrany ny vaovao no nahitàna ireto tsipoapoaka ireto tany aminy. Efa natolotra ny Fampanoavana ity olon-dratsy ity ary nadoboka am-ponja vonjimaika etsy Antanimora, miandry ny fotoam-pitsaràna azy. Mbola mandeha kosa ny fikarohana ireo namany any an-toerana, raha ny fanazavana azo hatrany.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici