- Publicité -
mardi, mai 13, 2025
AccueilFaits-DiversFenoarivobe : Mpianatry ny CEG miisa 07 no indray voan’ny ambalavelona

Fenoarivobe : Mpianatry ny CEG miisa 07 no indray voan’ny ambalavelona

Niverina indray tato ho ato tamina faritra maro ny trangana ambalavelona. Tovovavy mpianatra kilasy fahenina miisa fito, tao amin’ny CEG Ankotrabe, any amin’ny fari-piadidiam-pampianarana Fenoarivobe, no indray nihetsika Ambalavelona ny zoma teo. Mitsinjatsinjaka sy mihinjitsinjitra ary mitomany ireto mpianatra nampijalin’ny ambalavelona ireto. Taorian’ny fifampiresahana tamin’ny ray aman-drenin’ireo mpianatra dia nanapaka ny Cisco fa horaisiny an-tanana ny fandaniana rehetra amin’ny fanafarana sy fakana an’i Mopera Jean Michel izay matihanina amin’ny fitsabona ity aretina ity. Ity pretra ity moa, raha araka ny tati-baovao voaray, dia efa nifindra toerana any Mandiavato Miarinarivo. Raha ny vaovao voaray hatrany, dia nisehoana trangana ambalavelona ihany koa tany amin’ny Distrikan’i Belo Tsiribihina, ny herinandro iny, ka mpianatra miisa folo tamina lisea iray any an-toerana no indray niara-tratra sy narary. Noho ny tahotra mba tsy iparitahan’ity aretina hafahafa ity haingana, dia nakatona mihitsy ny sekoly ary nalefa nody ireo mpianatra.

Eric Manitrisa

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici