vendredi, avril 25, 2025
AccueilFaits-DiversFenoarivobe : Telo mianaka nofiraina antsy, noho ny resaka ady tany

Fenoarivobe : Telo mianaka nofiraina antsy, noho ny resaka ady tany

Namoy ny ainy ireo ray aman-dreniny, avotra saingy mbola manaraka fitsaboana hatramin’izao kosa ilay zanany. Vono olona feno habibiana tanteraka no nitranga tao amin’ny kaominina Kiranomena, distrikan’i Fenoarivobe ity.

Hatreto, olona sivy mianadahy no fantatra fa efa nosamborin’ny zandary tany an-toerana. Olona izay akaiky sy fianakavian’ireto olona namoy ny ainy sy naratra mafy ireto ihany. Raha ny voalaza mantsy dia nisy tamin’izy ireo mihitsy no nahavoaka vava fa « na ohatrinona na ohatrinona, rehefa hoe hamono ireto ankohonana kely ireto no atao dia vitain’izy ireo antsakany sy andavany …». Araka ny fanazavana azo teo anivon’ny mpitandro filaminana miandraikitra ny raharaha dia resaka lonilony sy ady tany no nahavitan’ireto olona ireto habibiana tsy roa aman-tany tahak’izao. Efa nisy ny fanolorana azy ireo teny anivon’ny Fampanoavana moa ary samy nadoboka am-ponja avokoa ireto nahavanon-doza ireto. Mbola mitohy kosa ny fanadihadiana sy ny fikarohana izay mety ho namany.

Raha tsiahivina ny zava-nisy, tokony ho iray volana lasa izay. Raha avy any an-tsaha, handeha hody ireto fianakaviana kely ireto no narahana andian’olona, nirongo zava-maranitra. Nitsoaka avy hatrany izy telo mianaka. Ilay renim-pianakaviana sy ny zanany no tratr’izy ireo voalohany ary norasarasain’izy ireo tamin’ny famaky, avy natsipin’izy ireo tany anaty rano. Rehefa noheverin’izy ireo fa samy maty avokoa izy ireo dia rafitra nanenjika ilay raim-pianakaviana indray ireto andian’olona ary novonoin’izy ireo tamin’ny fomba feno habibiana ihany koa nony tratr’izy ireo. Ny tsy nampoizin’izy ireo mpamono anefa, na dia naratra mafy aza ilay ankizy dia mbola velona soa aman-tsara, ary ireo havany nikaroka azy telo mianaka no afaka namonjy azy. Nilaza moa ilay ankizy fa fantany tsara ireo namono azy sy ny ray aman-dreniny. Nanomboka teo ny fikarohana ireo olon-dratsy ary izao niafara tamin’ny fisamborana azy sivy mianadahy izao.

« Ekena fa voasambotra izy ireo fa ny fahoriana mianjady aminay fianakaviana mbola mitohy » hoy ireo fianakaviana, mila fanampiana. Araka ny nambaran’izy ireo mantsy dia mbola manaraka fitsaboana hatramin’izao ilay zaza naratra mafy, kamboty ray sy reny tsy fidiny kanefa efa zara raha misy ny eo an-tanan’izy ireo. « Ireo mpamono olona misy manati-bary, hoy ireto farany, fa ilay zaza kamboty marary, zara raha misy hohanina ». Ao amin’ny hôpitaly ao Tsiroanomandidy moa ity farany no manaraka fitsaboana, raha ny fantatra hatrany.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici