- Publicité SW45 -
lundi, juin 17, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversFenoarivobe : Tsy mbola hita ireo razana efatra

Fenoarivobe : Tsy mbola hita ireo razana efatra

Hatramin’ny omaly, dia tsy mbola ireo razana efatra izay tototry ny tany tao Fenoarivobe. Izy ireo raha tsiahivina fohy, dia mpitrandraka volamena ary nihotsahan’ny tany. Folo no indray maty tamin’ny alahady. Ny enina no efa hita rehefa nandeha ny fikarohana. Sarotra ny fanohizana ny fitadiavana ary efa manomboka afa-nenina ny olona. Raha ny re avy any an-toerana dia mety hatsahatra amin’izay ny fitadiavana fa hasiana tsangambato kosa mba ho fanomezam-boninahitra ireo maty sy ho fahatsiarovana azy eo amin’ilay toerana nitrangan’ny loza koa. Tsy misy fenitra ary tsy misy fanaraha-maso tanteraka ny fitrandrahana eto amintsika. Matetika no miseho ny loza satria lasa lalina loatra ireo olona izay noho ny fitadiavana dia lasa tsy mieritreritra intsony izay mety ho loza hitranga. Tsy ny volamena ihany fa ireo mpitrandraka vatosoa koa dia efa betsaka no maty.

D.R

 

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité Google Ads.-
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici