Anio no hivoaka ny didim-pitsaràna izay nanenjehan’ny tale jeneralin’ny sekoly manofana ho mpandraharahan’ny fonja ao Antentezambaro an’i Fernand Avimanana dit Fernand Cello. Raharaha iray amin’ireo fitoriana telo samihafa hanenjehana ity mpanao gazety ao amin’ny Basy Vava sy mpisintona lakolosy fanairana amin’ny tambajotra sosialy io hivoaka anio io ny didy. « Manana tsirim-panantenana betsaka aho fa ho afaka ny olona arovako satria nandritry ny raharaham-pitsaràna dia hita fa tsy mitombina ny fanenjehana azy (fanalam-baràka, fanohintohinana ny filaminana anatiny). Ny mpitory rahateo dia tsy nipoitra hatrany tao anatin’ny antanan-tohatra rehetran’ny raharaham-pitsaràna » raha araka ny fanazavan’ny mpisolovava azy, Me Santanavalona Rajaonarison. Raha tsiahivina dia efa dimy volana katroka izay no notànana vonjimaika tao Antanimora i Fernand Cello rehefa nosamborina tamin-kery tetsy Anosizato raha mba nitsidika ny vady aman-janany. Mitovy hatrany ny fanenjehana azy dia ny heloka amin’ny aterineto sy ny fanohintohinana anatiny. Rehefa tena mandeha anefa ny fitsaràna toa tsy hita akory izay tena vesatra mifandraika amin’izany ary na ny mpitory aza dia tsy nisy hita fa ny mpisolovava no alefa misolotena eo.
D.R