- Publicité -
vendredi, juin 13, 2025
AccueilFaits-DiversFernand Cello : Naiditra am-ponja, nogiazana ny findainy

Fernand Cello : Naiditra am-ponja, nogiazana ny findainy

Me Marie Claudia, mpisolovava an’I Fernand Cello, nihaona tamin’ny mpanao gazety

Rehefa natolotra ny fampanoavana ao Ihosy, omaly nisandratrandro, ny mpanao gazetin’ny Radio Jupiter Fernand Cello, dia naiditra am-ponja vonjimaika ao amin’ny fonjaben’ Ihosy omaly antoandro. Raharaha roa izay nitorian’ny mpandraharaha Maherlla no anton’ny fanenjehana. Isan’ny vesatra niampangana an’ity mpanao gazety mahitsy fiteny momba ny fitrandrahana harena an-kibon’ny tany ao Ilakaka ity, ny resaka seky halatra izay efa tamin’ny taona 2015. Raha ny fanazavana azo avy ao amin’ny fampanaovana dia mbola misy vesatra miisa dimy hafa mbola miandry ary tsy maintsy mbola hihainoana azy.

Fanosehosena ny asa fanaovan-gazety. Taorian’ny fampidirana am-ponja an’i Fernand Cello, ny andron’ny omaly io, dia nanao valan-dresaka tamin’ny mpanao gazety tao Ihosy, ny mpisolovava an’i Fernand Cello ary nilaza fa “ fanosihosena ny asa fanaovan-gazety izao nihatra amin’ny olona arovany izao, satria mpanao gazety sahy nilaza ny marina sy namaky bantsilana ny kolikoly avolenta amin’ny fitrandrahana safira ao Ilakaka io potehina tanteraka io ankehitriny“. Notohizany fa “ tsy voahaja ihany koa ny zon’ny olona arovany omaly nandritra ny fandalovany teny amin’ny fampanoavana, satria nogiazana ny finday izay misy ny porofo rehetra ananan’ity mpanao gazety ity “, hoy Me Marie Claudia Yvonne, mpisolovava an’i Fernand Cello.

Halatra seky. Nahitsy kosa ny valintenin’ny tonia mpampanao lalàna ao amin’ny fitsarana ambaratonga Ihosy, fa nisy “indro alefa” (soit transmis) miisa fito navoakan’ny fitsarana mandidy amin’ity mpanao gazety ity hosamborina hatao famotorana mahakasika ireo fitorian’olona misesy azy. “ Tsy misy ifandraisany amin’ny fanehoan-kevitra tamin’ny fandaharana manonkana tamina haino aman-jery tsy miankina iray tao Antananarivo, ny 3 mey teo, ny fisamborana an’ity mpanao gazety ity “, hoy Rtoa Mpampanoa lalàna nanipika sady namaly an’ireo fanosoram-potaka samihafa inian’ny olona sasany aely ankehitriny handotoana endrika ny fitsarana. Nanara-maso akaiky ity raharaha ity hatrany ny Holafitry ny Mpanao Gazety satria mpanao gazety amperin’asa i Fernand Cello. Isan’ny nampahafantarina tamin’ny mpikambana eo anivony fa nahazo fahafahana vonjimaika i Fernand momba ny vesatra mahakasika ny fanalam-baràka nataony. Hatreto izany dia ilay halatra taratasim-bola no antony nampidoboka azy.

Erick Manitrisa/D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici