- Publicité -
lundi, mai 12, 2025
AccueilFaits-DiversFetin’ny Krismasy : Olona 5 namoy ny ainy, 159 naiditra hôpitaly

Fetin’ny Krismasy : Olona 5 namoy ny ainy, 159 naiditra hôpitaly

Tsy nieren-doza ! Na dia teo tokoa aza ny fiparitahan’ireo mpitandro filaminana marobe, nanerana ny araben’ny renivohitra, ny sabotsy alina sy alahady teo dia azo lazaina fa mbola maro ihany ireo namoy ny ainy sy niditra hôpitaly nandritra iny fetin’ny krismasy iny. Nisy dimy ireo namoy ny ainy, araka ny tatitra azo tetsy anivon’ny HJRA hatramin’ny omaly hariva tamin’ny dimy ora teo. Nahatratra hatrany amin’ny 159 kosa ireo olona voatery notsaboina teny an-toerana. Mbola nibahan-toerana ary isan’ny antony iray nampiditra hôpitaly betsaka aloha hatreto dia ny lozam-pifamoivoizana sy ny fisotroana alikaola be loatra ary ny adiady madinidika teny an-dalambe. Raha ny lozam-pifamoivoizana, dia olona iray no maty, 27 kosa no naratra ka 12 tamin’izay no voa mafy. Tovolahy iray no namoy ny ainy, teny amin’iny faritra 67ha iny, ny sasakalin’ny krismasy teo, rehefa voadonan’ny fiara minibus marika « Mazda ». Ny telo tamin’ireo maty nandritra iny fety iny kosa, dia olona namoy ny ainy teny an-dalambe, na io vokatry ny aretina na vokatry ny hanoanana. Iray kosa no tapaka lalandrà ka maty rehefa tonga teny amin’ny hôpitaly. Nahatratra 50 tany ho any kosa ireo naratra vokatry ny adiady teny an-dalambe, ka ny dimy tamin’ireo no tena voa mafy izay tsy maintsy nampidirina hôpitaly. Nisy teo amin’ny 27 kosa ireo voatery nampidirina tao amin’ny fameloman’aina, hatramin’ny omaly hariva ihany io. Olona 11 teo no torana tsy nahatsiaro tena vokatry ny hamamoana diso tafahoatra, ka ankizy 10 taona ny zandriny indrindra. Nisy telo kosa ireo niezaka nanapitra ny androny, tamin’ny fihinanana fanafody sy poizina. Saingy avotra soa aman-tsara avokoa izy ireo, raha ny fanazavana azo hatrany. Tamin’ity fety indray mitoraka ity raha ny vaovao azo hatrany dia mba tsy nisy aloha ireo olona voapoizin’ny sakafo nampidirina teny amin’ny hôpitaly. Hatreto aloha, dia somary nihena ireo antontanisa ireo raha mitaha ny tamin’ny fetin’ny krismasy tamin’ny taon-dasa, raha ny tatitra hatrany. Nisy dimy ihany koa mantsy ireo namoy ny ainy tamin’izay fotoana izay, ary tafakatra hatrany amin’ny 300 tany ho any ireo voatery nentina teny amin’ny hôpitaly.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici