- Publicité SW45 -
vendredi, avril 19, 2024
AccueilFaits-DiversFetin’ny Pantekôsta : 79 no voasambotra teto an-drenivohitra 

Fetin’ny Pantekôsta : 79 no voasambotra teto an-drenivohitra 

Niasa ny pôlisy ! Azo lazaina fa nilamina ary nifety tokoa ny ankabeazan’ireo mponina nandritra ny roa andron’ny fety nahatsiarovana ny nidinan’ny Fanahy Masina tamin’ireo Apôstôly, raha ny teto an-drenivohitra manokana. Izany dia noho ny ezaka nataon’ny teo anivon’ny mpitandro filaminana, nentina nitandro izany filaminana izany. Araka ny loharanom-baovao azo avy eo anivon’ny pôlisim-pirenena dia nisy tokoa ireo tranga tsy fandriam-pahalemana tetsy sy teroa nandritra ny alahady sy alatsinainy teo, saingy saika voasoroka avokoa izy ireo amin’ny ankapobeny. Nandritra io roa andro io tokoa dia fantatra fa nahatratra hatrany amin’ny 79 tany ho any ireo olona nosamborin’ny pôlisy. Araka ny antontan’isa azo dia ireo olona natao fanadihadiana manokana noho ny antony maro samihafa no tena betsaka. Nahatratra hatrany amin’ny 38 izy ireo. Nanaraka azy tao ireo tontakely, voarohirohy tamin’ny resaka halatra madinidika. Ireo mpanararaotra ny fahamaroan’ny olona ka manao izay danin’ny kibony manao ny asa ratsiny. Nisy 14 ireo tratra tamin’izay, raha ny vaovao azo hatrany. Olona fito kosa no voarohirohy noho ny resaka halatra miharo vaky trano. Rehefa vory vahoaka tahaka ireny, indrindra fa amin’ireo toerana fandehanan’ny mpitsangantsangana dia tsy lavitra azy ireny ihany koa ireo mpanendaka. Nisy ny paik’ady manokana nataon’ny teo anivon’ny pôlisy, nentina nanjonoana ireny olon-dratsy ireny fotsiny. Nahatratra valo ireo mpanendaka voasambotra raha ny vaovao azo hatrany. Ankoatra ireo dia voalaza fa nisy olona iray nosamborina rehefa tratra nanendaka niaraka tamin’ny zava-maranitra. Nahatratra hatrany amin’ny enina kosa ireo mpidoroka zava-mahadomelina no tratra teo am-panaovana izany. Efatra ireo mamo an-dalam-be. Ho an’ny resaka lozam-pifamoivoizana dia voalazan’ny antontan’isan’ny pôlisy fa niisa 17 ireo trangan’ny lozam-pifamoivoizana teo an-drenivohitra, eny fa na dia teo aza ny fiezahana nisoroka izany, tamin’ny alalan’ny fanaraha-maso ireo mpamily fiara. Ny folo tamin’ireo tranga ireo no naharatrana olona ary iray kosa namoizana aina. Ny tranga enina hafa kosa dia nanimbàna fotodrafitrasa. 

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici