Isany mbola mitana ny laharana voalohany mandritra ny fetin’ny paska, na eo aza ny hetsika goavana nataon’ny mpitandro ny filaminana amin’ny fisorohana izany, ny lozam-pifamoivoizana izay mazana ateraky ny “scooter” avokoa, sy ny ady an-dàlana amin’ny fiakaran’ny hafanana ateraky ny zava-pisotro misy alikaola, ho an’i Toamasina. Nandritra ny telo andron’ny fetin’ny paska izao teto Toamasina dia nisy 182 ireo tonga teo anivon’ny mpamonjy voin’ny hopitaly be; tao anatin’izay dia 15 ny lozam-pifamoivoizana izay mpitaingina scooter mamo avokoa no anton’ny loza, nisy 18 ireo ady an-dalam-be vokatry ny hamamoana, iray kosa no toran’ny toaka izay vehivavy izy io, ary tovolahy iray hafa maty an-dranomasina; izay teto an-tampon-tananan’i Toamasina. Tsy nisy kosa ny ny narary sy ny maty vokatry ny sakafo, izay nambaran’ny mpitsabo fa efa betsaka ny fitandremana ataon’ny olona mikasika izany ankehitriny, noho ireo fanentanana maro natao hatramin’izay. Nandritra iny fetin’ny paska iny ihany koa, dia tovovavy iray no nikasa hamono tena noho ny famoizam-po tamin’ny olon-tiany, saingy avotra ihany ny ainy tamin’ny fitsaboana azony teo anivon’ireo mpitsabo. Raha ho an’ireo distrika manodidina kosa, dia ny tao Sainte-Marie no nahitana olona iray maty noho ny fandehanana mafy tamin’ny scooter nefa mamo, ka nifandona tamina fiara nifanenana taminy; iray hafa kosa tao Soanierana ivongo izay katekista avy nampivavaka tany ambanivolo, ny alahady hamonjy fodiana no nianjera tamin’ny môtô, saingy tsy maty fa naratra mafy ary efa nahazo ny fitsaboana. Afa-po tamin’ny filaminan’ny Tanàna ireo mpitandro ny filaminana, afa-po tamin’ny fiaraha-miasan’ny rehetra ihany koa tsy nisian’ny loza be loatra; amin’izy ireo dia ny fiaraha-mientan’ny rehetra samy misoroka sy samy mitandrina ary samy tompon’andraikitra tahaka izao no hisian’ny filaminana an-tanàna. Ankoatra izay, tamin’ireo 108 voatery naiditra hopitaly amin’ny fitsaboana azy, dia ny tazo sy ny tosidrà, ny 80% -n’ny marary, nandritra iny fetin’ny paska iny teto Toamasina…
Malala Didier