- Publicité -
dimanche, mai 18, 2025
AccueilFaits-DiversFiakaran’ny lavanila : Misy mifamono sy mifanapoizina ny olona ao SAVA

Fiakaran’ny lavanila : Misy mifamono sy mifanapoizina ny olona ao SAVA

Tsy nisy nahatsiaro tena izy mianakavy kely tao amin’ny tokantrano iray izay misy olona 11 isa. Izany dia noho ny fanapozinana nihatra tamin’izy ireo mba hoentina hangalarana ny lavanila tao an-tranony. Ny alin’ny talata  teo no noheverina ho nisian’ity famonoana olona tamin’ny endrika fanapozinana ity. Ny marainan’ny alarobia vao hita nivalampatra sy nitsiatra eraky ny trano izy mianakavy kely. Nentin’ny olona nankeny amin’ny hopitaly faran’izay haingana mba ho fanavotana ny ainy. Hatramin’ny omaly dia mbola tsaboina ao amin’ny toeram-pitsaboana ihany izy ireo raha araka ny vaovao azo. Mirongatra tanteraka ny asan-jiolahy any amin’iny faritra SAVA iny noho ny ny fisokafan’ny tsenan’ny lavanila. Betsaka ny olon-tsotra no lasa mivadika ho olon-dratsy satria volabe vetivety ny lavanila ao an-toerana. Tsy mandeha lavitra dia efa misy mividy, toa ny halatra volamena etsy Analakely ihany. Raha tsiahivina dia efa maro ny olona matin’ny fitsaram-bahoaka tany an-toerana rehefa sarona nangalatra lavanila maitso mbola teny an-tanimboly. Niova indray ny fomba fangalarana rehefa nisy izany vonoan’olona nisesisesy izany. Satria efa lasa samy mailo amin’ny fananany ny olona, ka nahita hevitra hafa indray ny mpangalatra dia ny fanakaramana ny mpitandro ny filaminana sasany mba hanampatra fahefana amin’ny famoahana ny vokatra ao an-toerana. Ireo mantsy tsy misy misava ary manamora ny trafika izany. Saingy efa mifanenjika tanteraka na ny samy manam-pahefana aza. Nitarika ny fisamborana ireo izay nanao ny tsy mety izany. Isan’ny efa nidoboka am-ponja tamin’ny halatra lavanila ny mpisolovava, ny mpitandro ny filaminana. Izany dia ankoatra ny olon-tsotra. Mivoatra hatrany ny fomba fangalarana ary izao indray dia lasa mirona any amin’ny fanapozinana izany ireo olon-dratsy.

D.R

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici