- Publicité -
mardi, juin 24, 2025
AccueilFaits-DiversFiakaran’ny vidim-piainana eto Toamasina : Tafakatra 1.800 ariary ny vary mora indrindra ankehitriny

Fiakaran’ny vidim-piainana eto Toamasina : Tafakatra 1.800 ariary ny vary mora indrindra ankehitriny

Miditra amin’ny maitso ahitra marina eto amintsika izao, tsapan’ny maro izany amin’ny fiakaran’ny vidin’ny vary eny an-tsena eto Toamasina tato ato izay. Saika nahitana fiakarany avokoa izany na ireo vary nohafarana na ireo vary vokatra avy eto an-toerana. Raha ny vary nohafarana izao dia 1.800 ariary no mora indrindra, izay mbola teo amin’ny 1.500 ariary izany teo aloha, tafakatra hatramin’ny 1.900 ariary na 2.000 ariary kosa ireo vary nohafarana antsoina hoe “riz de luxe” raha mbola novidiana 1.800 ariary ihany tsy iray volana akory izay. Ho an’ny vary vokatra eto an-toerana koa dia nisy fiakarany avokoa izany izao, ka vidina 1.900 ariary ny vary gasy mena raha efa novidin’ny mpanjifa 1.500 ariary teo aloha; manodidina ny 2.000 ariary hatramin’ny 2.100 ariary kosa ny vary tsipala sy ny makalioka eny an-tsenan’i Toamasina izao raha teo amin’ny 1.800 ariary izany tsy nisy folo andro akory. Ireo vary ataon’ny mpivarotra hoe “toto tanana” amin’ny vary gasy aza efa tafakatra 700 ariary hatramin’ny 800 ariary ny kapoaka eny an-tsena amin’izao fotoana izao. Tsy ny eo amin’ny vary ihany no ahitana fiakaram-bidin’ny fiainana fa ireo legioma ihany koa. Nanampy trotraka ny fiakarany koa ny havandra nahery vaika farany teo tao Antananarivo, satria tsy mahazo iray kilao amin’ny ovy sy ny karoty ary ny laisoa izao raha tsy manana 3.000 ariary, ny voatabia tafakatra  4.000 ariary hatramin’ny 5.000 ariary izao, arakaraka ny hatsarany, raha nojifain’ny mpividy  2.000 ariary hatramin’ny 2.500 ariary ny kilao teo aloha.

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici