Fianakaviana iray handeha hamonjy fahoriana no tra-doza teny an-dalana, ny andron’ny faran’ny taona teo, tao amin’ny kaominina Andranomisa, distrikan’Anjozorobe. Raha iny izy ireo handeha hiampita tetezana iny no niakatra tampoka ny rano ary nitondra azy fito mianadahy mianaka.Raha ny fampitam-baovao azo dia niainga ny andron’ny faran’ny taona teo izy ireo, avy ao amin’ny kaominina Betatao ary handeha hihazo ny tananan’i Bemarenina ao amin’ny kaominina Andranomisa. Mazava ho azy fa mandeha an-tongotra fa tsy dia misy fiara mandeha loatra any an-toerana. Ny rotsan-koram-pahavaratra rahateo efa manomboka ka maro amin’ireo lalana any an-toerana no tsy afaky ny fiara intsony.
Teo Manakambahiny Antetezanambo no niseho ny loza, tokony ho tamin’ny enina ora hariva tany ho any. Ranotrambo mafy fanonja avy any ambony avy no nitondra ireto fianakaviana ireto. Soa ihany, nisy nahita ny zava-niseho ary rafitra nanao ny famonjena avy hatrany ireo fokonolona teny an-toerana. Raha ny vaovao azo dia avotra soa aman-tsara tamin’ireo fotoana io ihany ny enina mianaka. Mbola niarahan’ny rehetra nifampitadiavana kosa ny lehilahy iray 65 taona. Niara-nisalahy teny an-toerana avokoa na ny fokonolona, na ny tompon’andraikitram-panjakana na ny mpitandro filaminana.
Ny ampitson’io loza io, izany hoe ny andron’ny taombavao teo, tokony ho tamin’ny enina ora maraina no hita teny am-povoan-tanimbary ilay raim-pianakaviana, saingy efa vatana mangatsiaka sisa. Efa tonga teny an-toerana moa ny mpitsabo nanao ny fizahana. Nanao ny fanadihadiana ifotony ihany koa ireo mpitandro filaminana ary nomena ny fianakaviana ny razana taorian’izay.
m.L